Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 25
Exod Mg1865 25:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Exod Mg1865 25:2  Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ ny olona rehetra izay amporisihin’ ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
Exod Mg1865 25:3  Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy varahina,
Exod Mg1865 25:4  sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy,
Exod Mg1865 25:5  sy hoditr’ ondrilahy efa nomen’ aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
Exod Mg1865 25:6  sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
Exod Mg1865 25:7  sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin’ ny efoda sy amin’ ny saron-tratra.
Exod Mg1865 25:8  Ary asaovy manao fitoerana masìna ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
Exod Mg1865 25:9  Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
Exod Mg1865 25:10  Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
Exod Mg1865 25:11  Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.
Exod Mg1865 25:12  Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin’ ny lafiny iray koa.
Exod Mg1865 25:13  Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
Exod Mg1865 25:14  Ary ampidiro ny bao ho eo amin’ ny vava volamena, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.
Exod Mg1865 25:15  Eo amin’ ny vava volan’ ny fiara no hitoeran’ ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
Exod Mg1865 25:16  Ary ataovy ao anatin’ ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
Exod Mg1865 25:17  Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin’ ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
Exod Mg1865 25:18  Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ ny sakany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana
Exod Mg1865 25:19  Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin’ ny sakany roa.
Exod Mg1865 25:20  Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
Exod Mg1865 25:21  Ary apetraho eo ambonin’ ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
Exod Mg1865 25:22  Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Exod Mg1865 25:23  Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
Exod Mg1865 25:24  Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
Exod Mg1865 25:25  Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
Exod Mg1865 25:26  Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra izay eo amin’ ny tongony efatra ireo:
Exod Mg1865 25:27  eo akaikin’ ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.
Exod Mg1865 25:28  Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin’ ireo no hilanjana ny latabatra.
Exod Mg1865 25:29  Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
Exod Mg1865 25:30  Ary asio mofo aseho eo ambonin’ ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
Exod Mg1865 25:31  Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
Exod Mg1865 25:32  Ary hisy sampany enina amin’ ny ankilany roa: dia sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo amin’ ny fanaovan-jiro eo amin’ ny ankilany iray koa,
Exod Mg1865 25:33  dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny, eo amin’ ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin’ ny sampany enina izay amin’ ny fanaovan-jiro.
Exod Mg1865 25:34  Ary eo amin’ ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,
Exod Mg1865 25:35  dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.
Exod Mg1865 25:36  Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin’ ny volamena tsara izy rehetra.
Exod Mg1865 25:37  Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
Exod Mg1865 25:38  Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
Exod Mg1865 25:39  Volamena tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin’ ireny fanaka rehetra ireny.
Exod Mg1865 25:40  Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.