EXODUS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Chapter 1
Exod | Mg1865 | 1:1 | Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay niaraka tamin’ i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin’ ny ankohonany avy izy rehetra: | |
Exod | Mg1865 | 1:5 | Ary ny isan’ ny olona rehetra naterak’ i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo. | |
Exod | Mg1865 | 1:7 | Ary ny Zanak’ Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany. | |
Exod | Mg1865 | 1:9 | Ary izy niteny tamin’ ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely efa maro sy mahery noho isika; | |
Exod | Mg1865 | 1:10 | andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ ny tany. | |
Exod | Mg1865 | 1:11 | Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin’ ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an’ i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa. | |
Exod | Mg1865 | 1:12 | Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak’ Isiraely indrindra ny Egyptiana. | |
Exod | Mg1865 | 1:14 | ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ ny fanompoana mafy, dia tamin’ ny feta sy ny biriky mbamin’ ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra. | |
Exod | Mg1865 | 1:15 | Ary ny mpanjakan’ i Egypta niteny tamin’ ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran’ ny anankiray, ary Poa no anaran’ ny anankiray) | |
Exod | Mg1865 | 1:16 | ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin’ ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy. | |
Exod | Mg1865 | 1:17 | Nefa natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain’ ny mpanjakan’ i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy. | |
Exod | Mg1865 | 1:18 | Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan’ i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy? | |
Exod | Mg1865 | 1:19 | Fa hoy ny mpampivelona tamin’ i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy. | |
Exod | Mg1865 | 1:20 | Dia nasian’ Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona. | |
Exod | Mg1865 | 1:21 | Ary tamin’ izany, satria natahotra an’ Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen’ Andriamanitra zanaka izy. | |