EXODUS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Chapter 12
Exod | Mg1865 | 12:2 | Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ ny taona ho anareo izy. | |
Exod | Mg1865 | 12:3 | Mitenena ianareo amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ ny andro fahafolo amin’ ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ ondry iray avy no ho an’ ny isan-trano; | |
Exod | Mg1865 | 12:4 | ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ ondry. | |
Exod | Mg1865 | 12:5 | Zanak’ ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ ny ondry na amin’ ny osy izy; | |
Exod | Mg1865 | 12:6 | ary hotehirizinareo izy hatramin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity; dia hamono azy amin’ ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. | |
Exod | Mg1865 | 12:7 | Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ ny tolam-baravarana roa sy amin’ ny tataom-baravaran’ ny trano izay hihinanany azy. | |
Exod | Mg1865 | 12:8 | Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ ny afo no hihinanany azy mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ ny anana mangidy. | |
Exod | Mg1865 | 12:9 | Aza hanina manta na voahandro amin’ ny rano izy, fa atsatsiho amin’ ny afo mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. | |
Exod | Mg1865 | 12:10 | Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ ny afo. | |
Exod | Mg1865 | 12:11 | Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 12:12 | Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 12:13 | Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. | |
Exod | Mg1865 | 12:14 | Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay. | |
Exod | Mg1865 | 12:15 | Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely. | |
Exod | Mg1865 | 12:16 | Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo ary amin’ ny andro fahafito koa hisy fivoriana masìna; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo. | |
Exod | Mg1865 | 12:17 | Ary hitandrina ny andron’ ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay. | |
Exod | Mg1865 | 12:18 | Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ ny volana. | |
Exod | Mg1865 | 12:19 | Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonan’ ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany. | |
Exod | Mg1865 | 12:20 | Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’ izay itoeranareo rehetra avy ianareo. | |
Exod | Mg1865 | 12:21 | Dia nampanalain’ i Mosesy ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. | |
Exod | Mg1865 | 12:22 | Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro. | |
Exod | Mg1865 | 12:23 | Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. | |
Exod | Mg1865 | 12:24 | Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an’ ny taranakareo mandrakizay. | |
Exod | Mg1865 | 12:25 | Ary rehefa tonga any amin’ ny tany izay homen’ i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany. | |
Exod | Mg1865 | 12:26 | Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’ izao fanompoana ataonareo izao? | |
Exod | Mg1865 | 12:27 | dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’ i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka. | |
Exod | Mg1865 | 12:28 | Ary dia nandeha ny Zanak’ Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony. | |
Exod | Mg1865 | 12:29 | Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. | |
Exod | Mg1865 | 12:30 | Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana. | |
Exod | Mg1865 | 12:31 | Dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’ Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo. | |
Exod | Mg1865 | 12:32 | Ary ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho. | |
Exod | Mg1865 | 12:33 | Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin’ ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra. | |
Exod | Mg1865 | 12:34 | Dia nentin’ ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin’ ny lambany teny an-tsorony. | |
Exod | Mg1865 | 12:35 | Ary ny Zanak’ Isiraely nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ ny Egyptiana. | |
Exod | Mg1865 | 12:36 | Ary nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana. | |
Exod | Mg1865 | 12:37 | Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy. | |
Exod | Mg1865 | 12:38 | Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’ osy sy omby, dia fananana be indrindra. | |
Exod | Mg1865 | 12:39 | Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy. | |
Exod | Mg1865 | 12:40 | Ary ny andro nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona. | |
Exod | Mg1865 | 12:41 | Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta. | |
Exod | Mg1865 | 12:42 | Alina notandreman’ i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’ i Jehovah ka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely rehetra hatramin’ ny taranany fara mandimby. | |
Exod | Mg1865 | 12:43 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy. | |
Exod | Mg1865 | 12:44 | Ary ny andevolahin’ ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana. | |
Exod | Mg1865 | 12:46 | Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza. | |
Exod | Mg1865 | 12:48 | Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany. | |
Exod | Mg1865 | 12:50 | Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony. | |