EXODUS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Chapter 28
Exod | Mg1865 | 28:1 | Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona. | |
Exod | Mg1865 | 28:2 | Ary manaova fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy. | |
Exod | Mg1865 | 28:3 | Ary mitenena amin’ izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’ i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy. | |
Exod | Mg1865 | 28:4 | Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy. | |
Exod | Mg1865 | 28:5 | Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy. | |
Exod | Mg1865 | 28:6 | Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mpanenona mahay. | |
Exod | Mg1865 | 28:8 | Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina. | |
Exod | Mg1865 | 28:10 | ny anarany enina amin’ ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin’ ny vato iray, araka ny fizokiany; | |
Exod | Mg1865 | 28:11 | amin’ ny asan’ ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy, | |
Exod | Mg1865 | 28:12 | Ary ataovy eo amin’ ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny sorony roa ho fahatsiarovana. | |
Exod | Mg1865 | 28:14 | sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin’ ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo. | |
Exod | Mg1865 | 28:15 | Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan’ ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy. | |
Exod | Mg1865 | 28:17 | Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda; | |
Exod | Mg1865 | 28:20 | ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy. | |
Exod | Mg1865 | 28:21 | Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase, ho amin’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy. | |
Exod | Mg1865 | 28:23 | Ary manaova vava volamena roa ho eo amin’ ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra. | |
Exod | Mg1865 | 28:24 | Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ ny vava vola roa, izay amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra. | |
Exod | Mg1865 | 28:26 | Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda. | |
Exod | Mg1865 | 28:27 | Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin’ ny soroko roa amin’ ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ ny fikambanany, eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda. | |
Exod | Mg1865 | 28:28 | Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan’ ny saron-tratra amin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo. | |
Exod | Mg1865 | 28:29 | Ary Arona hitondra ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely eo amin’ ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 28:30 | Ary ataovy eo amin’ ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon’ i Arona izany, raha miditra eo anatrehan’ i Jehovah izy; ka dia ho entin’ i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah ny fitsarana ny Zanak’ Isiraely. | |
Exod | Mg1865 | 28:32 | Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy. | |
Exod | Mg1865 | 28:33 | Ary asio sarin’ ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin’ ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina: | |
Exod | Mg1865 | 28:34 | dia famohamandry sy sarin’ ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany. | |
Exod | Mg1865 | 28:35 | Ary hiakanjoan’ i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna eo anatrehan’ i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy. | |
Exod | Mg1865 | 28:36 | Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH. | |
Exod | Mg1865 | 28:37 | Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin’ ny hamama: dia eo anoloan’ ny hamama no hasiana azy. | |
Exod | Mg1865 | 28:38 | Ary ho eo ambonin’ ny handrin’ i Arona izy, mba ho entin’ i Arona ny heloky ny zava-masìna, izay hohamasinin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny fanomezany masìna rehetra; ary ho eo amin’ ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah ny olona. | |
Exod | Mg1865 | 28:39 | Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra. | |
Exod | Mg1865 | 28:40 | Ary manaova akanjo lava ho an’ ny zanak’ i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy. | |
Exod | Mg1865 | 28:41 | Ary ataovy amin’ i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasìna azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy. | |
Exod | Mg1865 | 28:42 | Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin’ ny valahany ka hatramin’ ny feny no hisy azy. | |