EXODUS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Chapter 27
Exod | Mg1865 | 27:1 | Ary manaova ny alitara amin’ ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. | |
Exod | Mg1865 | 27:2 | Ary manaova ny tandrony eo amin’ ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina. | |
Exod | Mg1865 | 27:3 | Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran’ afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy. | |
Exod | Mg1865 | 27:4 | Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin’ ny harato eo amin’ ny zorony efatra, | |
Exod | Mg1865 | 27:5 | Ary ataovy eo ambanin’ ny sikin’ ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara. | |
Exod | Mg1865 | 27:6 | Ary manaova bao ho amin’ ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina, | |
Exod | Mg1865 | 27:7 | Ary ampidiro eo amin’ ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara ny bao, raha lanjaina izy, | |
Exod | Mg1865 | 27:8 | Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy. | |
Exod | Mg1865 | 27:9 | Ary manaova ny kianjan’ ny tabernakely: amin’ ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin’ ny kianja, zato hakiho ny halavany amin’ ny lafiny iray; | |
Exod | Mg1865 | 27:10 | ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, | |
Exod | Mg1865 | 27:11 | Ary ho tahaka izany amin’ ny lafiny avaratra, amin’ ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, | |
Exod | Mg1865 | 27:12 | Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin’ ny sakan’ ny kianja amin’ ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany, | |
Exod | Mg1865 | 27:14 | Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho amin’ ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany. | |
Exod | Mg1865 | 27:15 | Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho amin’ ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany. | |
Exod | Mg1865 | 27:16 | Ary eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany. | |
Exod | Mg1865 | 27:17 | Ny tsangantsangany rehetra amin’ ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany, | |
Exod | Mg1865 | 27:18 | Ny lavan’ ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany. | |
Exod | Mg1865 | 27:19 | Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa. | |
Exod | Mg1865 | 27:20 | Ary mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva. | |
Exod | Mg1865 | 27:21 | Ao anatin’ ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’ i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’ i Jehovah hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ ny Zanak’ Isiraely izany hatramin’ ny taranany fara mandimby, | |