Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next
Chapter 26
Exod Mg1865 26:1  Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Exod Mg1865 26:2  Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.
Exod Mg1865 26:3  Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.
Exod Mg1865 26:4  Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray, dia eo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin’ ny ambainy farany, dia eo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.
Exod Mg1865 26:5  Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.
Exod Mg1865 26:6  Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin’ ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely.
Exod Mg1865 26:7  Ary manaova ambainy koa amin’ ny volon’ osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no hanaovanao azy.
Exod Mg1865 26:8  Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.
Exod Mg1865 26:9  Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin’ ny sakan’ ny lay anatrehana.
Exod Mg1865 26:10  Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.
Exod Mg1865 26:11  Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin’ ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.
Exod Mg1865 26:12  Ary izay mihoatra amin’ ny ambain’ ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon’ ny tabernakely.
Exod Mg1865 26:13  Ary ny iray hakiho avy eo amin’ ny lohany roa amin’ ny lamba, izay mihoatra amin’ ny halavan’ ny ambain’ ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin’ ny lafibeny roa amin’ ny tabernakely handrakotra azy.
Exod Mg1865 26:14  Ary manaova koa rakotry ny lay amin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.
Exod Mg1865 26:15  Ary manaova zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely.
Exod Mg1865 26:16  Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.
Exod Mg1865 26:17  Lahiny roa no ho amin’ ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin’ ny tabernakely.
Exod Mg1865 26:18  Ary manaova ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.
Exod Mg1865 26:19  Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray hiorenan’ ny lahiny roa.
Exod Mg1865 26:20  Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.
Exod Mg1865 26:21  Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
Exod Mg1865 26:22  Ary ny lafiny andrefana amin’ ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina.
Exod Mg1865 26:23  Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely amin’ ny lafiny ivoho.
Exod Mg1865 26:24  Ary hakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin’ ny zorony roa no hisy izany.
Exod Mg1865 26:25  Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.
Exod Mg1865 26:26  Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,
Exod Mg1865 26:27  sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
Exod Mg1865 26:28  Ary ny barany afovoany, izay afovoan’ ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.
Exod Mg1865 26:29  Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.
Exod Mg1865 26:30  Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.
Exod Mg1865 26:31  Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Exod Mg1865 26:32  Ary ahantòny amin’ ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
Exod Mg1865 26:33  Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ ny farango; ary ampidiro ao anatin’ ny efitra lamba ny fiaran’ ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masìna sy ny fitoerana masìna indrindra ho anareo.
Exod Mg1865 26:34  Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona eo amin’ ny fitoerana masìna indrindra.
Exod Mg1865 26:35  Ary apetraho eo ivelan’ ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin’ ny latabatra amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin’ ny lafiny avaratra.
Exod Mg1865 26:36  Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ ny lay, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Exod Mg1865 26:37  Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.