Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 40
Exod Mg1865 40:1  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Exod Mg1865 40:2  Amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
Exod Mg1865 40:3  Ary ataovy ao ny fiaran’ ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
Exod Mg1865 40:4  Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.
Exod Mg1865 40:5  Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely.
Exod Mg1865 40:6  Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.
Exod Mg1865 40:7  Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.
Exod Mg1865 40:8  Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja.
Exod Mg1865 40:9  Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masìna izy.
Exod Mg1865 40:10  Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masìna indrindra izy.
Exod Mg1865 40:11  Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.
Exod Mg1865 40:12  Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy.
Exod Mg1865 40:13  Ary ampiakanjoy an’ i Arona ny fitafiana masìna, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.
Exod Mg1865 40:14  Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.
Exod Mg1865 40:15  Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ ny taranany fara mandimby.
Exod Mg1865 40:16  Dia nataon’ i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.
Exod Mg1865 40:17  Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.
Exod Mg1865 40:18  Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.
Exod Mg1865 40:19  Ary namelatra ny lay teo ambonin’ ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exod Mg1865 40:20  Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ ny fiara.
Exod Mg1865 40:21  Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exod Mg1865 40:22  Ary ny latabatra dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, dia teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely avaratra, teo ivelan’ ny efitra lamba.
Exod Mg1865 40:23  Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exod Mg1865 40:24  Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny latabatra, teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely atsimo.
Exod Mg1865 40:25  Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exod Mg1865 40:26  Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anoloan’ ny efitra lamba;
Exod Mg1865 40:27  ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exod Mg1865 40:28  Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely;
Exod Mg1865 40:29  ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ ny varavaran’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exod Mg1865 40:30  Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.
Exod Mg1865 40:31  Ary teo no nanasan’ i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.
Exod Mg1865 40:32  Raha niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Exod Mg1865 40:33  Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ ny vavahadin’ ny kianja. Dia vitan’ i Mosesy ny asa rehetra.
Exod Mg1865 40:34  Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
Exod Mg1865 40:35  Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
Exod Mg1865 40:36  Ary raha niakatra niala tamin’ ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nandehanany rehetra;
Exod Mg1865 40:37  fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin’ izay andro hiakarany.
Exod Mg1865 40:38  Fa ny rahon’ i Jehovah dia teo ambonin’ ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ ny taranak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny nandehanany rehetra.