Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
EXODUS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 15
Exod Mg1865 15:1  Ary Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’ i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ ny ranomasina.
Exod Mg1865 15:2  Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho.
Exod Mg1865 15:4  Ny kalesin’ i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin’ ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin’ ny Ranomasina Mena.
Exod Mg1865 15:5  Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.
Exod Mg1865 15:6  Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
Exod Mg1865 15:7  Amin’ ny halehiben’ ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo.
Exod Mg1865 15:8  Ary ny fofonain’ ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan’ ny ranomasina ny lalina.
Exod Mg1865 15:9  Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
Exod Mg1865 15:10  Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin’ ny rano mahery izy.
Exod Mg1865 15:11  Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin’ izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin’ ny fahamasinana, deraina amin’ ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?
Exod Mg1865 15:12  Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany.
Exod Mg1865 15:13  Tarihinao amin’ ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ ny herinao ho any amin’ ny fonenanao masìna izy.
Exod Mg1865 15:14  Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;
Exod Mg1865 15:15  Toran-kovitra ny loham-pirenen’ i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin’ i Moaba; reraka ny fon’ izay rehetra monina any Kanana.
Exod Mg1865 15:16  Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.
Exod Mg1865 15:17  Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin’ ny fitoerana masìna naorin’ ny tananao, Tompo ô.
Exod Mg1865 15:19  Fa niditra teo amin’ ny ranomasina ny soavalin’ i Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny, ary Jehovah nampikatona ny ranomasina taminy; fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina.
Exod Mg1865 15:20  Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Exod Mg1865 15:21  Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an’ i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin’ ny ranomasina.
Exod Mg1865 15:22  Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano.
Exod Mg1865 15:23  Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara
Exod Mg1865 15:24  Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay?
Exod Mg1865 15:25  Ary dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka dia nanehoan’ i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’ i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy,
Exod Mg1865 15:26  ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
Exod Mg1865 15:27  Ary tonga tao Elima izy; ary tao nisy loharano roa ambin’ ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo anilan’ ny rano izy.