HEBREWS
Chapter 7
Hebr | Mg1865 | 7:1 | Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan’ i Salema sy mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’ i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, | |
Hebr | Mg1865 | 7:2 | sady nomen’ i Abrahama ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan’ i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ ny fiadanana; | |
Hebr | Mg1865 | 7:3 | tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’ andro na faran’ ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’ Andriamanitra),― izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. | |
Hebr | Mg1865 | 7:4 | Ary hevero ny halehiben’ io lehilahy io ―, izay nomen’ i Abrahama patriarka ny ampahafolon’ izay tsara tamin’ ny zavatra nobaboina. | |
Hebr | Mg1865 | 7:5 | Ary izay avy tamin’ ny taranak’ i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin’ ny olona araka ny lalàna, dia amin’ ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’ i Abrahama aza ireny; | |
Hebr | Mg1865 | 7:6 | nefa izay tsy isan’ ny firazanan’ ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin’ i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana. | |
Hebr | Mg1865 | 7:7 | Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin’ ny lehibe noho ny tenany. | |
Hebr | Mg1865 | 7:8 | Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona. | |
Hebr | Mg1865 | 7:9 | Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin’ i Abrahama, | |
Hebr | Mg1865 | 7:10 | satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin’ ny nitsenan’ i Melkizedeka an’ i Abrahama. | |
Hebr | Mg1865 | 7:11 | Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona? | |
Hebr | Mg1865 | 7:13 | Fa Izay nolazaina amin’ izany teny izany dia avy tamin’ ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin’ ny alitara. | |
Hebr | Mg1865 | 7:14 | Fa hita marimarina fa avy tamin’ ny Joda no nisehoan’ ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain’ i Mosesy akory ny amin’ izay ho mpisorona. | |
Hebr | Mg1865 | 7:15 | Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an’ i Melkizedeka, | |
Hebr | Mg1865 | 7:16 | izay natao tsy araka ny lalàn’ izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin’ ny fiainana tsy manam-pahataperana. | |
Hebr | Mg1865 | 7:17 | Fa Izy dia nambara hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”. | |
Hebr | Mg1865 | 7:19 | (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’ Andriamanitra. | |
Hebr | Mg1865 | 7:21 | ― fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin’ ny fianianana, fa Ity tamin’ ny fianianana nataon’ ilay nilaza taminy hoe: “Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay” | |
Hebr | Mg1865 | 7:22 | ― dia tahaka izany koa no nanaovana an’ i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra. | |
Hebr | Mg1865 | 7:23 | Fa natao maro ireny mpisorona ireny, satria tsy navelan’ ny fahafatesana haharitra izy; | |
Hebr | Mg1865 | 7:24 | fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy; | |
Hebr | Mg1865 | 7:25 | koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. | |
Hebr | Mg1865 | 7:26 | Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masìna, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, | |
Hebr | Mg1865 | 7:27 | Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy. | |