I KINGS
Chapter 21
I Ki | Mg1865 | 21:1 | Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin’ ny lapan’ i Ahaba, mpanjakan’ i Samaria. | |
I Ki | Mg1865 | 21:2 | Ary Ahaba niteny tamin’ i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao. | |
I Ki | Mg1865 | 21:3 | Fa hoy Nabota tamin’ i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako. | |
I Ki | Mg1865 | 21:4 | Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’ i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina. | |
I Ki | Mg1865 | 21:5 | Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao? | |
I Ki | Mg1865 | 21:6 | Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin’ i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko. | |
I Ki | Mg1865 | 21:7 | Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita. | |
I Ki | Mg1865 | 21:8 | Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahaba, ka notombohiny tamin’ ny fanombohan-kasen’ andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin’ ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin’ i Nabota. | |
I Ki | Mg1865 | 21:9 | Ary izao no nosoratany tao amin’ ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan’ ny olona Nabota. | |
I Ki | Mg1865 | 21:10 | Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty. | |
I Ki | Mg1865 | 21:11 | Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan’ i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin’ ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy. | |
I Ki | Mg1865 | 21:12 | Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona. | |
I Ki | Mg1865 | 21:13 | Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin’ ny olona nivoaka teny ivelan’ ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty. | |
I Ki | Mg1865 | 21:14 | Dia naniraka tany amin’ i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty. | |
I Ki | Mg1865 | 21:15 | Ary rehefa ren’ i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin’ i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty. | |
I Ki | Mg1865 | 21:16 | Ary rehefa ren’ i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy. | |
I Ki | Mg1865 | 21:18 | Miaingà, ka midìna hihaona amin’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy. | |
I Ki | Mg1865 | 21:19 | Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain’ i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ao amin’ ny tany izay nilelafan’ ny alika ny ran’ i Nabota no hilelafan’ ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa. | |
I Ki | Mg1865 | 21:20 | Ary hoy Ahaba tamin’ i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah. | |
I Ki | Mg1865 | 21:21 | Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin’ ny taranak’ i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely. | |
I Ki | Mg1865 | 21:22 | Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tahaka ny taranak’ i Basa, zanak’ i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely. | |
I Ki | Mg1865 | 21:23 | Ary ny amin’ i Jezebela koa dia nolazain’ i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an’ i Jezebela eny ivelan’ ny màndan’ i Jezirela. | |
I Ki | Mg1865 | 21:24 | Izay tamingan’ i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ ny voro-manidina. | |
I Ki | Mg1865 | 21:25 | Fa tsy nisy tahaka an’ i Ahaba, izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, satria nampirisihin’ i Jezebela vadiny izy. | |
I Ki | Mg1865 | 21:26 | Ary izy nanao vetaveta loatra tamin’ ny nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon’ ny Amorita, izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely. | |
I Ki | Mg1865 | 21:27 | Ary rehefa ren’ i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana. | |