JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 17
Job | Mg1865 | 17:2 | Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho. | |
Job | Mg1865 | 17:3 | Masìna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy? | |
Job | Mg1865 | 17:4 | Fa ny fon’ ireto dia voahidinao tsy hidiran’ ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy. | |
Job | Mg1865 | 17:6 | Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako. | |
Job | Mg1865 | 17:7 | Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra. | |
Job | Mg1865 | 17:8 | Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy. | |
Job | Mg1865 | 17:9 | Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery. | |
Job | Mg1865 | 17:10 | Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho. | |
Job | Mg1865 | 17:11 | Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ ny foko indrindra; | |
Job | Mg1865 | 17:12 | Ny alina ataon’ ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina. | |
Job | Mg1865 | 17:13 | Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin’ ny maizina no hamelarako ny fandriako. | |
Job | Mg1865 | 17:14 | Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao. | |