JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 4
Job | Mg1865 | 4:2 | Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany? | |
Job | Mg1865 | 4:4 | Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao | |
Job | Mg1865 | 4:5 | Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao | |
Job | Mg1865 | 4:7 | Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? | |
Job | Mg1865 | 4:9 | Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy. | |
Job | Mg1865 | 4:10 | Ny feon’ ny olona, eny, ny feon’ ny liona masiaka, ary ny nifin’ ny liona tanora dia ombotana; | |
Job | Mg1865 | 4:11 | Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy. | |
Job | Mg1865 | 4:13 | Tamin’ ny eritreritra avy amin’ ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona, | |
Job | Mg1865 | 4:16 | Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe: | |
Job | Mg1865 | 4:17 | Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’ olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona? | |
Job | Mg1865 | 4:18 | Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra. | |
Job | Mg1865 | 4:19 | Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy; | |
Job | Mg1865 | 4:20 | Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy. | |