JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 7
Job | Mg1865 | 7:1 | Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’ olombelona etỳ ambonin’ ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ ny mpikarama va ny androny? | |
Job | Mg1865 | 7:3 | Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy. | |
Job | Mg1865 | 7:4 | Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ ny andro. | |
Job | Mg1865 | 7:5 | Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray. | |
Job | Mg1865 | 7:8 | Tsy hahita ahy intsony ny mason’ izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho. | |
Job | Mg1865 | 7:9 | Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; | |
Job | Mg1865 | 7:11 | Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ ny aiko. | |
Job | Mg1865 | 7:13 | Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako. | |
Job | Mg1865 | 7:14 | Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry; | |
Job | Mg1865 | 7:15 | Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato; | |
Job | Mg1865 | 7:16 | Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko. | |
Job | Mg1865 | 7:17 | Inona moa ny zanak’ olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao, | |
Job | Mg1865 | 7:19 | Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora? | |
Job | Mg1865 | 7:20 | Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho? | |