Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOB
Prev Up Next
Chapter 39
Job Mg1865 39:1  Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ ny osi-dia any amin’ ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ ny dieravavy?
Job Mg1865 39:2  Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
Job Mg1865 39:3  Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
Job Mg1865 39:4  Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
Job Mg1865 39:5  Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ ny boriki-dia,
Job Mg1865 39:6  Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
Job Mg1865 39:7  Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ ny mpampandeha;
Job Mg1865 39:8  Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
Job Mg1865 39:9  Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ ny alina?
Job Mg1865 39:10  Mahafatotra ny ombimanga amin’ ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
Job Mg1865 39:11  Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
Job Mg1865 39:12  Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
Job Mg1865 39:13  Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
Job Mg1865 39:14  Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ ny vovoka,
Job Mg1865 39:15  Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
Job Mg1865 39:16  Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
Job Mg1865 39:17  Fa efa nampanadinoin’ Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
Job Mg1865 39:18  Raha mikopakopak’ elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Job Mg1865 39:19  Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
Job Mg1865 39:20  Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony!
Job Mg1865 39:21  Mihehy ao amin’ ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.
Job Mg1865 39:22  Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ ny sabatra.
Job Mg1865 39:23  Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.
Job Mg1865 39:24  Miriotra mafy amin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.
Job Mg1865 39:25  Na oviana na oviana no anenoan’ ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ ny manamboninahitra.
Job Mg1865 39:26  Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
Job Mg1865 39:27  Noho ny didinao va no iakaran’ ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
Job Mg1865 39:28  Eny amin’ ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ ny harambato sy ao amin’ ny fiarovana.
Job Mg1865 39:29  Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
Job Mg1865 39:30  Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ ny faty dia any izy.