JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 3
Job | Mg1865 | 3:3 | Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina! | |
Job | Mg1865 | 3:4 | Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy; | |
Job | Mg1865 | 3:5 | Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy. | |
Job | Mg1865 | 3:6 | Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ ny andron’ ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ ny isan’ ny volana; | |
Job | Mg1865 | 3:9 | Aoka ho maizina ny kintan’ ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ ny maraina izy, | |
Job | Mg1865 | 3:10 | Satria tsy nanidy ny varavaran’ ny kibon’ ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ ny masoko. | |
Job | Mg1865 | 3:11 | Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e? | |
Job | Mg1865 | 3:13 | Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra, | |
Job | Mg1865 | 3:14 | Teo amin’ ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava, | |
Job | Mg1865 | 3:16 | Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory. | |
Job | Mg1865 | 3:17 | Any no itsaharan’ ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra; | |
Job | Mg1865 | 3:20 | Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’ izay latsaka amin’ ny fangidiana? | |
Job | Mg1865 | 3:21 | Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina: | |
Job | Mg1865 | 3:24 | Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako; | |