JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 24
Job | Mg1865 | 24:1 | Nahoana no tsy misy fotoan’ andro voatendrin’ ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ ny mahalala Azy izany androny Izany? | |
Job | Mg1865 | 24:3 | Mandroaka ny borikin’ ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ ny mpitondratena ho tsatòka. | |
Job | Mg1865 | 24:4 | Manosika ny mahantra hiala amin’ ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ ny tany. | |
Job | Mg1865 | 24:5 | Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak’ ireny ho amin’ ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ ny zanany. | |
Job | Mg1865 | 24:7 | Mandry mitanjaka amin’ ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin’ ny hatsiaka; | |
Job | Mg1865 | 24:8 | Kotsan’ ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin’ ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana. | |
Job | Mg1865 | 24:10 | Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary. | |
Job | Mg1865 | 24:11 | Manao diloilo eo anatin’ ny tambohon’ ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany. | |
Job | Mg1865 | 24:12 | Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ ny voalefona; Nefa tsy ahoan’ Andriamanitra akory ny ratsy atao. | |
Job | Mg1865 | 24:13 | Ireny no mpikomy amin’ ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ ny alehany. | |
Job | Mg1865 | 24:14 | Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra. | |
Job | Mg1865 | 24:15 | Ny mason’ ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy. | |
Job | Mg1865 | 24:16 | Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy; | |
Job | Mg1865 | 24:17 | Fa ny aizim-pito no marainan’ ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ ny aizim-pito izy. | |
Job | Mg1865 | 24:18 | Mitsinkafona paohin’ ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ ny tany; Tsy mivily ho amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tanim-boaloboka izy. | |
Job | Mg1865 | 24:19 | Toy ny andevonan’ ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ ny fiainan-tsi-hita ny mpanota. | |
Job | Mg1865 | 24:20 | Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy, | |
Job | Mg1865 | 24:22 | Kanefa halavain’ Andriamanitra amin’ ny heriny ny andron’ ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza. | |
Job | Mg1865 | 24:24 | Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary. | |