JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 15
Job | Mg1865 | 15:2 | Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va, | |
Job | Mg1865 | 15:4 | Eny, foananao ny fahatahorana an’ Andriamanitra, ary tampenanao ny fivavahana eo anatrehany; | |
Job | Mg1865 | 15:6 | Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao. | |
Job | Mg1865 | 15:7 | Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ ny tendrombohitra va ianao? | |
Job | Mg1865 | 15:8 | Isan’ ny mpihevitra teo amin’ Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena? | |
Job | Mg1865 | 15:9 | Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa? | |
Job | Mg1865 | 15:10 | Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza. | |
Job | Mg1865 | 15:11 | Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin’ Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin’ ny fahalemem-panahy? | |
Job | Mg1865 | 15:14 | Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina? | |
Job | Mg1865 | 15:15 | Indro, ireo anjeliny aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony; | |
Job | Mg1865 | 15:16 | Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano! | |
Job | Mg1865 | 15:18 | Dia zavatra notorin’ ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin’ ny razany; | |
Job | Mg1865 | 15:19 | Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy. | |
Job | Mg1865 | 15:20 | Ny ratsy fanahy mijalijaly amin’ ny androny rehetra, dia amin’ ny taona rehetra voatendry ho an’ ny lozabe. | |
Job | Mg1865 | 15:21 | Feo mampitahotra no ren’ ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba. | |
Job | Mg1865 | 15:23 | Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina. | |
Job | Mg1865 | 15:24 | Fahoriana sy fahaporitana no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin’ ny ady, | |
Job | Mg1865 | 15:25 | Satria naninjitra ny tanany hanohitra an’ Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha. | |
Job | Mg1865 | 15:26 | Mimaona amin’ ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin’ ny foitran’ ampingany matevina, | |
Job | Mg1865 | 15:28 | Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran’ olona, izay efa voatendry ho korontam-bato. | |
Job | Mg1865 | 15:29 | Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra ambonin’ ny tany ny fananany. | |
Job | Mg1865 | 15:30 | Tsy ho afaka amin’ ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon’ ny lelafo; ho levon’ ny fofonain’ Andriamanitra izy. | |
Job | Mg1865 | 15:31 | Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy. | |
Job | Mg1865 | 15:32 | Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany. | |
Job | Mg1865 | 15:33 | Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny. | |
Job | Mg1865 | 15:34 | Fa tsy ho vanona ny ankohonan’ ny mpihatsaravelatsihy, ary ho lanin’ ny afo ny tranon’ ny mpitoroka. | |