Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOB
Prev Up Next
Chapter 37
Job Mg1865 37:1  Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany.
Job Mg1865 37:2  Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany.
Job Mg1865 37:3  Mandefa izany ho eny ambanin’ ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin’ ny faran’ ny tany.
Job Mg1865 37:4  Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
Job Mg1865 37:5  Mahagaga ny fikotrokotrok’ Andriamanitra amin’ ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
Job Mg1865 37:6  Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
Job Mg1865 37:7  Mampiohona ny tanan’ ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
Job Mg1865 37:8  Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
Job Mg1865 37:9  Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.
Job Mg1865 37:10  Ny fofonain’ Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
Job Mg1865 37:11  Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra dia ampieleziny;
Job Mg1865 37:12  Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao,
Job Mg1865 37:13  Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa.
Job Mg1865 37:14  Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra.
Job Mg1865 37:15  Fantatrao va ny fanamboaran’ Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony?
Job Mg1865 37:16  Fantatrao va ny fihevahevan’ ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana?
Job Mg1865 37:17  Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ ny rivotra avy any atsimo,
Job Mg1865 37:18  Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
Job Mg1865 37:19  Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
Job Mg1865 37:20  Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?
Job Mg1865 37:21  Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
Job Mg1865 37:22  Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
Job Mg1865 37:23  Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
Job Mg1865 37:24  Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.