JOB
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Chapter 20
Job | Mg1865 | 20:3 | Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin’ ny fahalalako. | |
Job | Mg1865 | 20:4 | Tsy fantatrao va fa hatramin’ ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ ny tany, | |
Job | Mg1865 | 20:5 | Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy? | |
Job | Mg1865 | 20:6 | Fa na dia mipaka amin’ ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ ny rahona ny lohany, | |
Job | Mg1865 | 20:7 | Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy? | |
Job | Mg1865 | 20:8 | Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ ny alina izy. | |
Job | Mg1865 | 20:9 | Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany. | |
Job | Mg1865 | 20:10 | Ny zanany hitambitamby amin’ ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny. | |
Job | Mg1865 | 20:11 | Ny taolany dia feno ny herin’ ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ ny vovoka izany. | |
Job | Mg1865 | 20:15 | Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’ Andriamanitra hiala ao an-kibony izany. | |
Job | Mg1865 | 20:18 | Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany. | |
Job | Mg1865 | 20:19 | Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy. | |
Job | Mg1865 | 20:20 | Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin’ ny tiany indrindra izy. | |
Job | Mg1865 | 20:22 | Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan’ ny ory no hamely azy. | |
Job | Mg1865 | 20:23 | Halefan’ Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy. | |
Job | Mg1865 | 20:25 | Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin’ ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ ny aferony; Lasa izy azon’ ny fahatahorana mafy. | |
Job | Mg1865 | 20:26 | Ny aizim-pito no voarakitra ho amin’ ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ ny lainy. | |
Job | Mg1865 | 20:28 | Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ ny andro fahatezerany. | |