Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOB
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 14
Job Mg1865 14:1  Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
Job Mg1865 14:2  Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.
Job Mg1865 14:3  kanefa amin’ izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ ny fitsarana!
Job Mg1865 14:4  Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
Job Mg1865 14:5  Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
Job Mg1865 14:6  Dia mihodìna tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin’ ny androny toy ny mpikarama.
Job Mg1865 14:7  Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
Job Mg1865 14:8  Na dia efa tonga antitra ao amin’ ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ ny vovoka ny fotony,
Job Mg1865 14:9  Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
Job Mg1865 14:10  Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
Job Mg1865 14:11  Ny rano miala eo amin’ ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
Job Mg1865 14:12  Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ ny torimasony.
Job Mg1865 14:13  Enga anie ka hanafina ahy any amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’ andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy
Job Mg1865 14:14  Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ ny fahafahako.
Job Mg1865 14:15  Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ ny tananao Hianao.
Job Mg1865 14:16  Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
Job Mg1865 14:17  Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
Job Mg1865 14:18  Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ ny fitoerany;
Job Mg1865 14:19  Lanin’ ny rano ny vato; ary indaosin’ ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ ny zanak’ olombelona.
Job Mg1865 14:20  Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
Job Mg1865 14:21  Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
Job Mg1865 14:22  Ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.