PROVERBS
Chapter 5
Prov | Mg1865 | 5:3 | Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; | |
Prov | Mg1865 | 5:4 | Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela. | |
Prov | Mg1865 | 5:5 | Ny tongony midìna ho any amin’ ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. | |
Prov | Mg1865 | 5:6 | Tsy mahazo mandia ny lalan’ aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany. | |
Prov | Mg1865 | 5:9 | Fandrao omenao ho an’ ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an’ izay lozabe; | |
Prov | Mg1865 | 5:10 | Fandrao hivokisan’ ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ ny vahiny; | |
Prov | Mg1865 | 5:12 | Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko, | |
Prov | Mg1865 | 5:13 | Ka tsy nihaino ny tenin’ ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy? | |
Prov | Mg1865 | 5:15 | Misotroa rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin’ ny fantsakanao. | |
Prov | Mg1865 | 5:16 | Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao? | |
Prov | Mg1865 | 5:19 | Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ ny fitiavany ianao. | |
Prov | Mg1865 | 5:20 | Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin’ ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran’ ny vahiny janga? | |
Prov | Mg1865 | 5:21 | Fa eo imason’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa. | |
Prov | Mg1865 | 5:22 | Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy | |