PROVERBS
Chapter 15
Prov | Mg1865 | 15:1 | Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. | |
Prov | Mg1865 | 15:2 | Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana. | |
Prov | Mg1865 | 15:3 | Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. | |
Prov | Mg1865 | 15:5 | Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry. | |
Prov | Mg1865 | 15:6 | Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza. | |
Prov | Mg1865 | 15:8 | Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany. | |
Prov | Mg1865 | 15:9 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany. | |
Prov | Mg1865 | 15:10 | Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty. | |
Prov | Mg1865 | 15:11 | Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona! | |
Prov | Mg1865 | 15:12 | Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy. | |
Prov | Mg1865 | 15:13 | Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy. | |
Prov | Mg1865 | 15:14 | Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana. | |
Prov | Mg1865 | 15:15 | Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva. | |
Prov | Mg1865 | 15:18 | Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. | |
Prov | Mg1865 | 15:19 | Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara. | |
Prov | Mg1865 | 15:21 | Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy | |
Prov | Mg1865 | 15:22 | Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany. | |
Prov | Mg1865 | 15:23 | Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy! | |
Prov | Mg1865 | 15:24 | Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, | |
Prov | Mg1865 | 15:25 | Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy. | |
Prov | Mg1865 | 15:26 | Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra. | |
Prov | Mg1865 | 15:27 | Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona. | |
Prov | Mg1865 | 15:28 | Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana. | |
Prov | Mg1865 | 15:30 | Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana. | |
Prov | Mg1865 | 15:32 | Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. | |