PROVERBS
Chapter 23
Prov | Mg1865 | 23:1 | Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao, | |
Prov | Mg1865 | 23:5 | Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra. | |
Prov | Mg1865 | 23:7 | Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao. | |
Prov | Mg1865 | 23:8 | Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao. | |
Prov | Mg1865 | 23:10 | Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty; | |
Prov | Mg1865 | 23:13 | Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; | |
Prov | Mg1865 | 23:14 | Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny. | |
Prov | Mg1865 | 23:17 | Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro; | |
Prov | Mg1865 | 23:21 | Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba. | |
Prov | Mg1865 | 23:22 | Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy. | |
Prov | Mg1865 | 23:23 | Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. | |
Prov | Mg1865 | 23:24 | Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. | |
Prov | Mg1865 | 23:25 | Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao. | |
Prov | Mg1865 | 23:29 | An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena? | |
Prov | Mg1865 | 23:30 | An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. | |
Prov | Mg1865 | 23:31 | Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra; | |
Prov | Mg1865 | 23:32 | Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. | |
Prov | Mg1865 | 23:34 | Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo. | |