Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
PROVERBS
Prev Up Next
Chapter 21
Prov Mg1865 21:1  Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany.
Prov Mg1865 21:2  Ataon’ ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
Prov Mg1865 21:3  Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
Prov Mg1865 21:4  Ny fiandranandran’ ny maso sy ny fiavonavon’ ny fo Izay jiron’ ny ratsy fanahy dia ota.
Prov Mg1865 21:5  Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
Prov Mg1865 21:6  Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana.
Prov Mg1865 21:7  Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
Prov Mg1865 21:8  Miolikolika ny lalan’ ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon’ ny madio.
Prov Mg1865 21:9  Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ ny vehivavy tia ady.
Prov Mg1865 21:10  Ny fanahin’ ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
Prov Mg1865 21:11  Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
Prov Mg1865 21:12  Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ ny loza.
Prov Mg1865 21:13  Izay manentsin-tadiny amin’ ny fitarainan’ ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
Prov Mg1865 21:14  Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
Prov Mg1865 21:15  Fifalian’ ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
Prov Mg1865 21:16  Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty.
Prov Mg1865 21:17  Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
Prov Mg1865 21:18  Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon’ ny mahitsy.
Prov Mg1865 21:19  Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin’ ny vehivavy tia ady sady foizina.
Prov Mg1865 21:20  Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ ny tranon’ ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
Prov Mg1865 21:21  Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
Prov Mg1865 21:22  Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
Prov Mg1865 21:23  Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
Prov Mg1865 21:24  Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
Prov Mg1865 21:25  Ny fanirian’ ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
Prov Mg1865 21:26  Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
Prov Mg1865 21:27  Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.
Prov Mg1865 21:28  Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
Prov Mg1865 21:29  Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
Prov Mg1865 21:30  Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
Prov Mg1865 21:31  Voaomana ny soavaly ho amin’ ny andro iadiana; Fa an’ i Jehovah ihany ny fandresena.