PROVERBS
Chapter 21
Prov | Mg1865 | 21:1 | Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany. | |
Prov | Mg1865 | 21:2 | Ataon’ ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. | |
Prov | Mg1865 | 21:3 | Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà. | |
Prov | Mg1865 | 21:4 | Ny fiandranandran’ ny maso sy ny fiavonavon’ ny fo Izay jiron’ ny ratsy fanahy dia ota. | |
Prov | Mg1865 | 21:5 | Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany. | |
Prov | Mg1865 | 21:6 | Ny fahazoan-karena amin’ ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an’ izay mitady fahafatesana. | |
Prov | Mg1865 | 21:7 | Ny fitohatohan’ ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy. | |
Prov | Mg1865 | 21:9 | Aleo mitoetra eo an-joron’ ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin’ ny vehivavy tia ady. | |
Prov | Mg1865 | 21:10 | Ny fanahin’ ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony. | |
Prov | Mg1865 | 21:11 | Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy. | |
Prov | Mg1865 | 21:12 | Ny Iray Marina no mandinika ny tranon’ ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin’ ny loza. | |
Prov | Mg1865 | 21:13 | Izay manentsin-tadiny amin’ ny fitarainan’ ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina. | |
Prov | Mg1865 | 21:14 | Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin’ ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy. | |
Prov | Mg1865 | 21:15 | Fifalian’ ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany. | |
Prov | Mg1865 | 21:16 | Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty. | |
Prov | Mg1865 | 21:17 | Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena. | |
Prov | Mg1865 | 21:20 | Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin’ ny tranon’ ny hendry; Fa ny adala mandany azy. | |
Prov | Mg1865 | 21:21 | Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. | |
Prov | Mg1865 | 21:22 | Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany. | |
Prov | Mg1865 | 21:24 | Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona. | |
Prov | Mg1865 | 21:26 | Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra. | |
Prov | Mg1865 | 21:27 | Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy. | |
Prov | Mg1865 | 21:29 | Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin’ ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany. | |