ACTS
Chapter 24
Acts | Mg1865 | 24:1 | Ary rehefa afaka hadimiana dia nidina Ananiasy mpisoronabe mbamin’ ny loholona sasany sy Tertylo, mpandaha-teny anankiray, izay nanambara tamin’ ny mpanapaka ny niampangany an’ i Paoly. | |
Acts | Mg1865 | 24:3 | Hianao no ahazoanay fiadanana lehibe, ary ny fitondranao efa nampandry tsara ity firenena ity; koa raisinay amin’ ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô. | |
Acts | Mg1865 | 24:4 | Fa mba tsy hanahirana anao ela loatra aho, trarantitra ianao, henoy kely amin’ ny faharetana izahay. | |
Acts | Mg1865 | 24:5 | Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan’ ilay antoko atao hoe Nazarena. | |
Acts | Mg1865 | 24:8 | ary rehefa manadina azy ianao, dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy. | |
Acts | Mg1865 | 24:10 | Ary rehefa notondroin’ ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako; | |
Acts | Mg1865 | 24:11 | fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin’ ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema. | |
Acts | Mg1865 | 24:12 | Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’ olona teo an-kianjan’ ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ ny synagoga, na tao an-tanàna; | |
Acts | Mg1865 | 24:14 | Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’ Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ ny lalàna sy ny mpaminany, | |
Acts | Mg1865 | 24:15 | ary manantena amin’ Andriamanitra aho, izay antenain’ izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ ny marina sy ny meloka. | |
Acts | Mg1865 | 24:16 | Ary amin’ izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva. | |
Acts | Mg1865 | 24:17 | Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ ny fireneko. | |
Acts | Mg1865 | 24:18 | Ary tamin’ izay dia hitany voadio teo an-kianjan’ ny tempoly aho, tsy tamin’ ny olona maro anefa, na tamin’ ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia, | |
Acts | Mg1865 | 24:19 | ― tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy. | |
Acts | Mg1865 | 24:20 | Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan’ ny Synedriona aho, | |
Acts | Mg1865 | 24:21 | afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio. | |
Acts | Mg1865 | 24:22 | Ary satria fantatr’ i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin’ izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. | |
Acts | Mg1865 | 24:23 | Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’ i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ ny sakaizany izay ho avy hanompo azy. | |
Acts | Mg1865 | 24:24 | Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia tonga Feliksa sy Drosila vadiny, vehivavy Jiosy, dia nampaka an’ i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’ i Kristy Jesosy. | |
Acts | Mg1865 | 24:25 | Ary raha nitory ny amin’ ny fahamarinana sy ny fahononana ary ny fitsarana ho avy izy, dia raiki-tahotra Feliksa ka namaly hoe: Mandehana angaloha; fa raha malalaka, dia hampaka anao indray aho. | |
Acts | Mg1865 | 24:26 | Sady nanantena koa izy fa homen’ i Paoly vola; ka dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy. | |