Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ACTS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 1
Acts Mg1865 1:1  Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’ izay nataon’ i Jesosy sy nampianariny,
Acts Mg1865 1:2  hatramin’ ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin’ ny Fanahy Masìna ny Apostoly izay nofidiny,
Acts Mg1865 1:3  sady niseho koa tamin’ ny famantarana maro taorian’ ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Acts Mg1865 1:4  Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’ i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
Acts Mg1865 1:5  fa Jaona nanao batisa tamin’ ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna, rehefa afaka andro vitsivitsy.
Acts Mg1865 1:6  Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’ izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ ny Isiraely?
Acts Mg1865 1:7  Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ ny Ray amin’ ny fahefany ihany.
Acts Mg1865 1:8  Fa hahazo hery ianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masìna aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny faran’ ny tany.
Acts Mg1865 1:9  Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ ny masony intsony Izy.
Acts Mg1865 1:10  Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ ny nandehanan’ i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,
Acts Mg1865 1:11  izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.
Acts Mg1865 1:12  Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin’ ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin’ i Jerosalema (araka izay mety haleha amin’ ny Sabata).
Acts Mg1865 1:13  Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ― dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’ i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak’ i Jakoba.
Acts Mg1865 1:14  Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ ny vehivavy sy Maria, renin’ i Jesosy, ary ny rahalahiny.
Acts Mg1865 1:15  Ary tamin’ izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan’ ny olona vory teo) ka nanao hoe:
Acts Mg1865 1:16  Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ ny Soratra Masìna nampilazain’ ny Fanahy Masìna rahateo an’ i Davida ny amin’ i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an’ i Jesosy;
Acts Mg1865 1:17  fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’ izao fanompoana izao koa.
Acts Mg1865 1:18  Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ ny tambin’ ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
Acts Mg1865 1:19  Ary fantatr’ izay rehetra monina eto Jerosalema izany, ka ny anaran’ izany saha izany amin’ ny fiteniny dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-drà.
Acts Mg1865 1:20  Fa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ ny Salamo hoe: Aoka ho lao ny fonenany, Ary aoka tsy hisy olona honina ao; ary koa: Aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara-raharahany.
Acts Mg1865 1:21  Koa amin’ ireo lehilahy niaraka teto amintsika mandrakariva ireo, raha niditra sy nivoaka tamintsika Jesosy Tompo,
Acts Mg1865 1:22  hatramin’ ny batisan’ i Jaona ka hatramin’ ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ ny nitsanganany.
Acts Mg1865 1:23  Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia.
Acts Mg1865 1:24  Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon’ ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’ izy roa lahy ireto,
Acts Mg1865 1:25  mba hahazoany anjara amin’ izao fanompoana sy ny mah’ Apostoly izao, izay nialan’ i Jodasy hankanesany any amin’ ny fitoerany.
Acts Mg1865 1:26  Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin’ i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan’ ny Apostoly iraika ambin’ ny folo lahy.