ACTS
Chapter 22
Acts | Mg1865 | 22:1 | Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako. | |
Acts | Mg1865 | 22:2 | Ary nony ren’ ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly: | |
Acts | Mg1865 | 22:3 | Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin’ ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ ny tongotr’ i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an’ Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny. | |
Acts | Mg1865 | 22:4 | Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin’ ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; | |
Acts | Mg1865 | 22:5 | ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin’ ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina. | |
Acts | Mg1865 | 22:6 | Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an’ i Damaskosy, tamin’ ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy; | |
Acts | Mg1865 | 22:7 | dia lavo tamin’ ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? | |
Acts | Mg1865 | 22:8 | Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao. | |
Acts | Mg1865 | 22:9 | Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon’ izay niteny tamiko izy. | |
Acts | Mg1865 | 22:10 | Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao. | |
Acts | Mg1865 | 22:11 | Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan’ izany mazava izany, dia notantanan’ ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy. | |
Acts | Mg1865 | 22:12 | Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin’ ny Jiosy rehetra izay nonina teo, | |
Acts | Mg1865 | 22:13 | dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin’ izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy. | |
Acts | Mg1865 | 22:14 | Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany; | |
Acts | Mg1865 | 22:15 | fa ho vavolombelony amin’ ny olona rehetra ianao ny amin’ izay efa hitanao sy renao. | |
Acts | Mg1865 | 22:16 | Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ ny fahotanao. | |
Acts | Mg1865 | 22:17 | Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan’ ny tempoly, dia azon-tsindrimandry | |
Acts | Mg1865 | 22:18 | ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an’ i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy. | |
Acts | Mg1865 | 22:19 | Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin’ ny synagoga rehetra; | |
Acts | Mg1865 | 22:20 | ary raha nalatsaka ny ran’ i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian’ izay namono azy. | |
Acts | Mg1865 | 22:21 | Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ ny jentilisa. | |
Acts | Mg1865 | 22:22 | Ary ny olona nihaino azy hatramin’ izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin’ ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy! | |
Acts | Mg1865 | 22:24 | dia nasain’ ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin’ ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran’ ny olona azy toy izany. | |
Acts | Mg1865 | 22:25 | Ary raha namatotra azy tamin’ ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina? | |
Acts | Mg1865 | 22:26 | Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin’ ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io. | |
Acts | Mg1865 | 22:27 | Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny. | |
Acts | Mg1865 | 22:28 | Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka. | |
Acts | Mg1865 | 22:29 | Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy. | |