Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ACTS
Prev Up Next
Chapter 16
Acts Mg1865 16:1  Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty ― zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy ―
Acts Mg1865 16:2  ary tsara laza teo amin’ ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.
Acts Mg1865 16:3  Koa tian’ i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin’ izany tany izany, satria fantatr’ izy rehetra fa jentilisa rainy.
Acts Mg1865 16:4  Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman’ ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema.
Acts Mg1865 16:5  Ary nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan’ andro.
Acts Mg1865 16:6  Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masìna tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia
Acts Mg1865 16:7  ka efa tonga tany an-tsisin’ i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ ny Fanahin’ i Jesosy.
Acts Mg1865 16:8  Ary rehefa nandalo an’ i Mysia izy, dia nidina nankany Troasy.
Acts Mg1865 16:9  Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’ i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay!
Acts Mg1865 16:10  Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ ny olona any.
Acts Mg1865 16:11  Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia.
Acts Mg1865 16:12  Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’ izany zara-tanin’ i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin’ izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
Acts Mg1865 16:13  Ary tamin’ ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan’ ny vavahady izahay nankeny amoron’ ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ ny vehivavy vory teo.
Acts Mg1865 16:14  Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’ i Paoly.
Acts Mg1865 16:15  Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
Acts Mg1865 16:16  Ary raha nandeha ho any amin’ ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ ny tompony harena be.
Acts Mg1865 16:17  Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.
Acts Mg1865 16:18  Ary nataony tamin’ ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin’ ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’ izany ora izany indrindra izy.
Acts Mg1865 16:19  Ary nony hitan’ ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an’ i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ ny lehibe;
Acts Mg1865 16:20  ary rehefa nentiny tany amin’ ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra
Acts Mg1865 16:21  ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.
Acts Mg1865 16:22  Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin’ ny hazo izy.
Acts Mg1865 16:23  Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
Acts Mg1865 16:24  Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin’ ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin’ ny boloky hazo.
Acts Mg1865 16:25  Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’ Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.
Acts Mg1865 16:26  Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin’ izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’ izy rehetra.
Acts Mg1865 16:27  Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran’ ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.
Acts Mg1865 16:28  Fa Paoly niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.
Acts Mg1865 16:29  Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’ i Paoly sy Silasy.
Acts Mg1865 16:30  Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
Acts Mg1865 16:31  Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
Acts Mg1865 16:32  Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony.
Acts Mg1865 16:33  Ary nandray azy roa lahy izy tamin’ izany ora amin’ ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’ izay izy mbamin’ izay azy rehetra.
Acts Mg1865 16:34  Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’ izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’ Andriamanitra.
Acts Mg1865 16:35  Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo.
Acts Mg1865 16:36  Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin’ i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
Acts Mg1865 16:37  Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
Acts Mg1865 16:38  Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin’ ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy.
Acts Mg1865 16:39  Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna.
Acts Mg1865 16:40  Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon’ i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.