Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ACTS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 19
Acts Mg1865 19:1  Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
Acts Mg1865 19:2  ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masìna, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masìna.
Acts Mg1865 19:3  Ary hoy Paoly: Ho amin’ inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ ny batisan’ i Jaona.
Acts Mg1865 19:4  Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ ny fibebahana ka nilaza tamin’ ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
Acts Mg1865 19:5  Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Acts Mg1865 19:6  Ary rehefa nametrahan’ i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna; ary niteny tamin’ ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
Acts Mg1865 19:7  Ary tokony ho roa ambin’ ny folo lahy no isan’ izy rehetra.
Acts Mg1865 19:8  Ary Paoly niditra tao amin’ ny synagoga ka niteny tamin’ ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Acts Mg1865 19:9  Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ ny olona maro, dia niala tamin’ ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan’ andro tao amin’ ny trano fampianaran’ i Tyrano.
Acts Mg1865 19:10  Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin’ ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa.
Acts Mg1865 19:11  Ary ny tànan’ i Paoly no nanaovan’ Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
Acts Mg1865 19:12  ka dia ny mosara sy ny fiaron’ akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
Acts Mg1865 19:13  Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’ i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin’ i Jesosy Izay torin’ i Paoly aho.
Acts Mg1865 19:14  Ary nisy fito mirahalahy, zanak’ i Skeva, Jiosy, lohan’ ny mpisorona, izay nanao izany.
Acts Mg1865 19:15  Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
Acts Mg1865 19:16  Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’ izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
Acts Mg1865 19:17  Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Acts Mg1865 19:18  Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
Acts Mg1865 19:19  Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
Acts Mg1865 19:20  Fatratra toy izany no fandroson’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny heriny.
Acts Mg1865 19:21  Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an’ i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an’ i Roma koa.
Acts Mg1865 19:22  Ary ny roa lahy tamin’ izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
Acts Mg1865 19:23  Ary tamin’ izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin’ izany fampianarana izany.
Acts Mg1865 19:24  Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin’ ny tempolin’ i Diana tamin’ ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy;
Acts Mg1865 19:25  ireny mbamin’ ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin’ izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
Acts Mg1865 19:26  Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an’ i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
Acts Mg1865 19:27  Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin’ i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan’ i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
Acts Mg1865 19:28  Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
Acts Mg1865 19:29  Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an’ i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin’ i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
Acts Mg1865 19:30  Ary raha te-hiditra ho any amin’ ny olona Paoly, dia tsy navelan’ ny mpianatra.
Acts Mg1865 19:31  Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana.
Acts Mg1865 19:32  Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton’ ny niangonany teo.
Acts Mg1865 19:33  Ary nisy nisarika an’ i Aleksandro avy teo amin’ ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin’ ny olona.
Acts Mg1865 19:34  Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan’ ny Efesiana!
Acts Mg1865 19:35  Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ ny Efesiana no mpitahiry an’ i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’ i Jopitera?
Acts Mg1865 19:36  Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
Acts Mg1865 19:37  Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
Acts Mg1865 19:38  Koa raha manan-teny hifamaliana amin’ olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
Acts Mg1865 19:39  Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin’ izay fivoriana voatendrin’ ny lalàna.
Acts Mg1865 19:40  Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.