ACTS
Chapter 8
Acts | Mg1865 | 8:1 | Ary Saoly mba nankasitraka ny namonoana azy koa. Ary tamin’ izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany. | |
Acts | Mg1865 | 8:3 | Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina. | |
Acts | Mg1865 | 8:5 | Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an’ i Kristy tamin’ ny olona tao. | |
Acts | Mg1865 | 8:6 | Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain’ i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. | |
Acts | Mg1865 | 8:7 | Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. | |
Acts | Mg1865 | 8:9 | Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra; | |
Acts | Mg1865 | 8:10 | ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin’ Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe. | |
Acts | Mg1865 | 8:12 | Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. | |
Acts | Mg1865 | 8:13 | Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an’ i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao. | |
Acts | Mg1865 | 8:14 | Ary nony ren’ ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’ Andriamanitra, dia naniraka an’ i Petera sy Jaona izy hankany aminy. | |
Acts | Mg1865 | 8:15 | Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ ny olona mba handraisany ny Fanahy Masìna. | |
Acts | Mg1865 | 8:16 | Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo ihany izy. | |
Acts | Mg1865 | 8:18 | Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan’ ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masìna, dia nitondra vola homena azy | |
Acts | Mg1865 | 8:19 | ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masìna izay olona hametrahako tanana. | |
Acts | Mg1865 | 8:20 | Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin’ ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra. | |
Acts | Mg1865 | 8:21 | Tsy manana anjara na raharaha amin’ izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra. | |
Acts | Mg1865 | 8:22 | Koa mibebaha amin’ izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ ny fonao. | |
Acts | Mg1865 | 8:23 | Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ ny fangidian’ afero sy ny fehin-keloka ihany ianao. | |
Acts | Mg1865 | 8:24 | Ary Simona namaly ka nanao hoe: Mangataha ho ahy amin’ ny Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo. | |
Acts | Mg1865 | 8:25 | Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin’ ny vohitra maro izay an’ ny Samaritana. | |
Acts | Mg1865 | 8:26 | Ary nisy anjelin’ ny Tompo nilaza tamin’ i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin’ ny lalana midìna avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany. | |
Acts | Mg1865 | 8:27 | Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy, mpanjakavavin’ ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka; | |
Acts | Mg1865 | 8:28 | dia nody izy ka nipetraka teo anatin’ ny kalesiny ary namaky teny tao amin’ Isaia mpaminany | |
Acts | Mg1865 | 8:29 | Dia hoy ny Fanahy tamin’ i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin’ io kalesy io. | |
Acts | Mg1865 | 8:30 | Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’ Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? | |
Acts | Mg1865 | 8:31 | Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an’ i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. | |
Acts | Mg1865 | 8:32 | Ary izao no tenin’ ny Soratra Masìna novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak’ ondry moana eo anoloan’ ny mpanety azy; | |
Acts | Mg1865 | 8:33 | Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin’ ny niara-belona taminy? Fa ny ainy nesorina tamin’ ny tany. | |
Acts | Mg1865 | 8:34 | Ary ilay tandapa namaly an’ i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain’ ny mpaminany amin’ izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? | |
Acts | Mg1865 | 8:35 | Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’ izany Soratra Masìna izany nitory an’ i Jesosy taminy. | |
Acts | Mg1865 | 8:36 | Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin’ izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? | |
Acts | Mg1865 | 8:38 | Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ ny rano; dia nataony batisa izy. | |
Acts | Mg1865 | 8:39 | Ary rehefa niakatra avy teo amin’ ny rano izy roa lahy, dia nentin’ ny Fanahin’ ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ ny nalehany izy sady nifaly. | |