ACTS
Chapter 10
Acts | Mg1865 | 10:1 | Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin’ ny antokon’ ny miaramila atao hoe Italiana; | |
Acts | Mg1865 | 10:2 | ary mpivavaka tsara sady natahotra an’ Andriamanitra izy mbamin’ ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin’ ny olona sady nivavaka tamin’ Andriamanitra mandrakariva. | |
Acts | Mg1865 | 10:3 | Ary izy nahita miharihary tamin’ ny fahitana, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin’ Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio. | |
Acts | Mg1865 | 10:4 | Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’ Andriamanitra. | |
Acts | Mg1865 | 10:5 | Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera; | |
Acts | Mg1865 | 10:7 | Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin’ i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin’ ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’ izay nanaraka azy isan’ andro. | |
Acts | Mg1865 | 10:8 | Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy. | |
Acts | Mg1865 | 10:9 | Ary nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka mby teo akaikin’ ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ ny tampon-trano Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina. | |
Acts | Mg1865 | 10:10 | Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy | |
Acts | Mg1865 | 10:11 | ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midìna toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra ho amin’ ny tany; | |
Acts | Mg1865 | 10:12 | ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voro-manidina. | |
Acts | Mg1865 | 10:14 | Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. | |
Acts | Mg1865 | 10:15 | Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. | |
Acts | Mg1865 | 10:16 | Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’ izay ilay zavatra. | |
Acts | Mg1865 | 10:17 | Ary raha mbola nieritreritra tao am-pony Petera ny amin’ izay anton’ ny fahitana efa hitany, dia, indreo, ny olona izay nirahin’ i Kornelio nanontany ny tranon’ i Simona ka nijanona teo am-bavahady, | |
Acts | Mg1865 | 10:18 | dia niantso ka nanontany na mitoetra ao Simona, izay atao hoe koa Petera, na tsia. | |
Acts | Mg1865 | 10:19 | Fa raha mbola nieritreritra ny fahitana Petera, dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao; | |
Acts | Mg1865 | 10:20 | fa mitsangàna ianao, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy. | |
Acts | Mg1865 | 10:21 | Ary Petera nidina tany amin’ ireo olona ireo ka nanao hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ ny ahatongavanareo atỳ? | |
Acts | Mg1865 | 10:22 | Dia hoy ireo: Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’ Andriamanitra ka tsara laza amin’ ny firenen’ ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’ anjely masìna hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao. | |
Acts | Mg1865 | 10:23 | Ary Petera nampiantrano azy handry tao. Ary nony ampitso dia niainga Petera ka nandeha niaraka taminy, ary ny rahalahy sasany avy tany Jopa niaraka taminy koa. | |
Acts | Mg1865 | 10:24 | Ary nony ampitso indray dia tonga tany Kaisaria izy. Ary Kornelio niandry azy sady efa nampiangona ny havany sy ny tena sakaizany. | |
Acts | Mg1865 | 10:25 | Ary raha vao niditra Petera, dia nitsena azy Kornelio ka niankohoka teo amin’ ny tongony sady nitsaoka azy. | |
Acts | Mg1865 | 10:27 | Ary nony niresaka taminy izy, dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao. | |
Acts | Mg1865 | 10:28 | Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’ Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. | |
Acts | Mg1865 | 10:29 | Ary amin’ izany dia tsy nandà tsy hankatỳ aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy? | |
Acts | Mg1865 | 10:30 | Dia hoy Kornelio: Loak’ andro afak’ omaly, mandra-paha-toy izao ny andro, raha nivavaka teto an-tranoko aho mandritra ny ora fahasivy, dia, indro, nisy lehilahy niakanjo akanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako | |
Acts | Mg1865 | 10:31 | ka nanao hoe: Ry Kornelio, efa re ny fivavakao, ary efa tsarovana eo anatrehan’ Andriamanitra ny fiantranao. | |
Acts | Mg1865 | 10:32 | Koa maniraha hankany Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera: mitoetra ao an-tranon’ i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy. | |
Acts | Mg1865 | 10:33 | Koa niaraka tamin’ izay dia naniraka tany aminao aho; ary nanao soa ianao no avy. Koa ankehitriny izahay rehetra dia efa eto anatrehan’ Andriamanitra hihaino izay rehetra nandidian’ ny Tompo anao. | |
Acts | Mg1865 | 10:34 | Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra; | |
Acts | Mg1865 | 10:35 | fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany. | |
Acts | Mg1865 | 10:36 | Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ ny Zanak’ isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’ izao rehetra izao), | |
Acts | Mg1865 | 10:37 | dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian’ ny batisa izay notorin’ i Jaona, dia ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, | |
Acts | Mg1865 | 10:38 | Izay nohosoran’ Andriamanitra tamin’ ny Fanahy Masìna sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ ny herin’ ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. | |
Acts | Mg1865 | 10:39 | Ary izahay no vavolombelon’ ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ ny tanin’ ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ ny hazo; | |
Acts | Mg1865 | 10:40 | nefa natsangan’ Andriamanitra kosa Izy tamin’ ny andro fahatelo ka nasehony marimarina, | |
Acts | Mg1865 | 10:41 | tsy tamin’ ny olona rehetra, fa tamin’ ny vavolombelona izay notendren’ Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy. | |
Acts | Mg1865 | 10:42 | Ary Izy nandidy anay hitory amin’ ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’ Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. | |
Acts | Mg1865 | 10:43 | Izy no ambaran’ ny mpaminany rehetra, fa amin’ ny anarany no hahazoan’ izay rehetra mino Azy famelan-keloka. | |
Acts | Mg1865 | 10:44 | Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masìna. | |
Acts | Mg1865 | 10:45 | Ary talanjona ny mino isan’ ny voafora izay niaraka tamin’ i Petera, satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna. | |
Acts | Mg1865 | 10:46 | Fa nandre azy niteny tamin’ ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’ Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe: | |
Acts | Mg1865 | 10:47 | Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masìna tahaka antsika koa? | |