Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
ACTS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 18
Acts Mg1865 18:1  Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto.
Acts Mg1865 18:2  Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin’ izy mivady Paoly.
Acts Mg1865 18:3  Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany.
Acts Mg1865 18:4  Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin’ ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa.
Acts Mg1865 18:5  Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin’ ny teny Paoly ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
Acts Mg1865 18:6  Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin’ izao sisa izao dia hankany amin’ ny jentilisa aho.
Acts Mg1865 18:7  Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon’ ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin’ ny synagoga.
Acts Mg1865 18:8  Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
Acts Mg1865 18:9  Ary ny Tompo niteny tamin’ i Paoly tamin’ ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangìna;
Acts Mg1865 18:10  fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin’ ity tanàna ity Aho.
Acts Mg1865 18:11  Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin’ Andriamanitra teo aminy.
Acts Mg1865 18:12  Fa raha Galio no governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an’ i Paoly ny Jiosy, ary nitondra azy nankeo amin’ ny fitsarana,
Acts Mg1865 18:13  ka dia nanao hoe: Ilehio mampanaiky ny olona hivavaka amin’ Andriamanitra, nefa tsy araka ny lalàna.
Acts Mg1865 18:14  Ary raha hiloa-bava Paoly, dia hoy Galio tamin’ ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka, na zavatra ratsy natao, dia mety raha mandefitra aminareo aho;
Acts Mg1865 18:15  fa raha ady hevitra sy anarana ary ny lalànareo kosa, dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te-hitsara izany raharaha izany.
Acts Mg1865 18:16  Ary nandroaka azy hiala teo anoloan’ ny fitsarana izy.
Acts Mg1865 18:17  Ary izy rehetra nisambotra an’ i Sostena, mpanapaka ny synagoga, dia nikapoka azy teo anoloan’ ny fitsarana. Nefa tsy nahoan’ i Galio izany zavatra izany.
Acts Mg1865 18:18  Ary Paoly mbola nitoetra teo andro maromaro ihany, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy, dia niondrana an-tsambo nankany Syria, ary Prisila sy Akoila niaraka taminy koa; ny volon-dohany nohetezany tany Kenkrea, satria efa nivoady izy.
Acts Mg1865 18:19  Ary tonga tany Efesosy izy, dia nandao azy mivady teo Paoly ka lasa niditra tao amin’ ny synagoga ka niady hevitra tamin’ ny Jiosy.
Acts Mg1865 18:20  Ary nangataka azy hitoetra elaela kokoa ny olona, fa tsy nety izy,
Acts Mg1865 18:21  fa nanao veloma azy ka nanao hoe: Mbola hiverina hankatỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’ Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
Acts Mg1865 18:22  Ary rehefa tafatody tany Kaisaria izy, dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
Acts Mg1865 18:23  Ary rehefa nitoetra tao elaela ihany izy, dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frygia ka nampahery ny mpianatra rehetra.
Acts Mg1865 18:24  Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin’ ny Soratra Masìna.
Acts Mg1865 18:25  Izany lehilahy izany efa nampianarina ny lalan’ ny Tompo; ary nafana fo izy, dia niteny sy nampianatra marimarina ny amin’ i Jesosy, kanefa ny batisan’ i Jaona ihany no fantany.
Acts Mg1865 18:26  Ary izy niteny tamin’ ny fahasahiana teo amin’ ny synagoga; ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ ny lalan’ Andriamanitra.
Acts Mg1865 18:27  Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;
Acts Mg1865 18:28  fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ ny olona ka naneho marimarina tamin’ ny Soratra Masìna fa Jesosy no Kristy.