ACTS
Chapter 16
Acts | Mg1865 | 16:1 | Dia tonga tany Derbe sy Lystra koa izy; ary, indro, nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timoty ― zanaky ny vehivavy Jiosy izay nino, fa jentilisa rainy ― | |
Acts | Mg1865 | 16:3 | Koa tian’ i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin’ izany tany izany, satria fantatr’ izy rehetra fa jentilisa rainy. | |
Acts | Mg1865 | 16:4 | Ary raha nandeha nitety ny tanàna tao izy, dia natolony hotandreman’ ny olona ireo didy navoaky ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema. | |
Acts | Mg1865 | 16:6 | Ary rehefa noraran’ ny Fanahy Masìna tsy hitory ny teny tany Asia izy, dia nandeha namaky ny tany Frygia sy Galatia | |
Acts | Mg1865 | 16:7 | ka efa tonga tany an-tsisin’ i Mysia, dia nitady hankany Bitynia izy, fa tsy navelan’ ny Fanahin’ i Jesosy. | |
Acts | Mg1865 | 16:9 | Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin’ i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay! | |
Acts | Mg1865 | 16:10 | Ary nony nahita ny fahitana izy, dia nitady handeha niaraka tamin’ izay hankany Makedonia izahay, satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ ny olona any. | |
Acts | Mg1865 | 16:11 | Ary nony niondrana an-tsambo niala tany Troasy izahay, dia nizotra nankany Samotrakia; ary nony ampitso dia nankany Neapolia. | |
Acts | Mg1865 | 16:12 | Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’ izany zara-tanin’ i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin’ izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. | |
Acts | Mg1865 | 16:13 | Ary tamin’ ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan’ ny vavahady izahay nankeny amoron’ ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ ny vehivavy vory teo. | |
Acts | Mg1865 | 16:14 | Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’ i Paoly. | |
Acts | Mg1865 | 16:15 | Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy. | |
Acts | Mg1865 | 16:16 | Ary raha nandeha ho any amin’ ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ ny tompony harena be. | |
Acts | Mg1865 | 16:17 | Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena. | |
Acts | Mg1865 | 16:18 | Ary nataony tamin’ ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin’ ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’ izany ora izany indrindra izy. | |
Acts | Mg1865 | 16:19 | Ary nony hitan’ ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an’ i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ ny lehibe; | |
Acts | Mg1865 | 16:20 | ary rehefa nentiny tany amin’ ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra | |
Acts | Mg1865 | 16:22 | Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin’ ny hazo izy. | |
Acts | Mg1865 | 16:23 | Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina. | |
Acts | Mg1865 | 16:24 | Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin’ ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin’ ny boloky hazo. | |
Acts | Mg1865 | 16:25 | Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’ Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. | |
Acts | Mg1865 | 16:26 | Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin’ izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’ izy rehetra. | |
Acts | Mg1865 | 16:27 | Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran’ ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. | |
Acts | Mg1865 | 16:28 | Fa Paoly niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. | |
Acts | Mg1865 | 16:29 | Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’ i Paoly sy Silasy. | |
Acts | Mg1865 | 16:30 | Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? | |
Acts | Mg1865 | 16:31 | Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. | |
Acts | Mg1865 | 16:32 | Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony. | |
Acts | Mg1865 | 16:33 | Ary nandray azy roa lahy izy tamin’ izany ora amin’ ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’ izay izy mbamin’ izay azy rehetra. | |
Acts | Mg1865 | 16:34 | Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’ izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’ Andriamanitra. | |
Acts | Mg1865 | 16:35 | Ary rehefa maraina ny andro, ireo governora dia naniraka ny mpitan-defona ka nanao hoe: Alefaso ireo olona ireo. | |
Acts | Mg1865 | 16:36 | Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin’ i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara. | |
Acts | Mg1865 | 16:37 | Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay. | |
Acts | Mg1865 | 16:38 | Ary ny mpitan-defona nilaza izany teny izany tamin’ ireo governora; dia natahotra izy, raha nahare fa Romana izy roa lahy. | |
Acts | Mg1865 | 16:39 | Dia tonga izy ka nanony azy sady nitondra azy nivoaka ary nangataka azy handeha hiala ao an-tanàna. | |