Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
DEUTERONOMY
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 10
Deut Mg1865 10:1  Tamin’ izany andro izany no nilazan’ Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
Deut Mg1865 10:2  dia hosoratako amin’ ny vato fisaka ilay teny teo amin’ ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin’ ny fiara ireny.
Deut Mg1865 10:3  Dia nanao fiara tamin’ ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
Deut Mg1865 10:4  Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny afo tamin’ ny andro nivoriana; dia nomen’ i Jehovah ahy ireny.
Deut Mg1865 10:5  Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin’ ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin’ ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian’ i Jehovah ahy.
Deut Mg1865 10:6  Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha niala tamin’ ny fantsakan’ i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan’ i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
Deut Mg1865 10:7  Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
Deut Mg1865 10:8  Tamin’ izany andro izany no nanokana an’ i Jehovah ny firenen’ i Levy hitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anarany mandraka androany.
Deut Mg1865 10:9  Izany no tsy ananan’ ny Levita anjara na lova eo amin’ ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrao taminy.
Deut Mg1865 10:10  Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin’ izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
Deut Mg1865 10:11  Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan’ ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
Deut Mg1865 10:12  Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
Deut Mg1865 10:13  hitandrina ny didin’ i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
Deut Mg1865 10:14  Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.
Deut Mg1865 10:15  Kanefa ny razanao no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Deut Mg1865 10:16  Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
Deut Mg1865 10:17  Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;
Deut Mg1865 10:18  manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
Deut Mg1865 10:19  Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo.
Deut Mg1865 10:20  Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
Deut Mg1865 10:21  Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ ny masonao.
Deut Mg1865 10:22  Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.