Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GALATIANS
1 2 3 4 5 6
Prev Up Next
Chapter 4
Gala Mg1865 4:1  Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon’ ny zavatra rehetra aza;
Gala Mg1865 4:2  fa fehezin’ izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan’ ny fetr’ andro voatendrin’ ny rainy.
Gala Mg1865 4:3  Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao;
Gala Mg1865 4:4  fa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ ny lalàna,
Gala Mg1865 4:5  hanavotany izay ambanin’ ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’ anaka.
Gala Mg1865 4:6  Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’ Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô.
Gala Mg1865 4:7  Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon’ Andriamanitra.
Gala Mg1865 4:8  Kanefa tamin’ izany, fony mbola tsy nahalala an’ Andriamanitra ianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy;
Gala Mg1865 4:9  fa ankehitriny, rehefa mahalala an’ Andriamanitra ianareo ― nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo ― nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray?
Gala Mg1865 4:10  Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra.
Gala Mg1865 4:11  Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo.
Gala Mg1865 4:12  Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy ianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory ianareo;
Gala Mg1865 4:13  nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen’ ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin’ ilay voalohany;
Gala Mg1865 4:14  ary ny teo amin’ ny nofoko izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin’ Andriamanitra ianareo, eny, dia tahaka an’ i Kristy Jesosy aza.
Gala Mg1865 4:15  Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo atao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy.
Gala Mg1865 4:16  Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?
Gala Mg1865 4:17  Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa.
Gala Mg1865 4:18  Fa tsara raha ilam-pitia amin’ ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho.
Gala Mg1865 4:19  Anaka, izay aharariako indray amin’ ny fiterahana mandra-paharin’ i Kristy ao anatinareo,
Gala Mg1865 4:20  enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo.
Gala Mg1865 4:21  Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
Gala Mg1865 4:22  fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin’ ny andevovavy, ary ny anankiray tamin’ ny tsy andevo.
Gala Mg1865 4:23  Kanefa ilay tamin’ ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ ny teny fikasana.
Gala Mg1865 4:24  Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin’ ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin’ ny fahandevozana, dia Hagara izany.
Gala Mg1865 4:25  Ary ny hoe Hagara dia ny tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin’ i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin’ ny zanany.
Gala Mg1865 4:26  Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
Gala Mg1865 4:27  Fa voasoratra hoe: Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananà, ianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an’ ny manana-bady.
Gala Mg1865 4:28  Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an’ isaka.
Gala Mg1865 4:29  Kanefa tahaka ny tamin’ izany andro izany, ilay teraka araka ny nofo dia nanenjika ilay araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny.
Gala Mg1865 4:30  Nefa ahoana no lazain’ ny Soratra Masìna? Roahy io andevovavy io sy ny zananilahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin’ ny zanaky ny tsy andevo.
Gala Mg1865 4:31  Ary amin’ izany, ry rahalahy, tsy zanak’ andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.