Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I SAMUEL
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 22
I Sa Mg1865 22:1  Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin’ ny zohin’ i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
I Sa Mg1865 22:2  Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy.
I Sa Mg1865 22:3  Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin’ ny mpanjakan’ i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon’ Andriamanitra amiko.
I Sa Mg1865 22:4  Ary dia nentiny ho eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin’ ny andro rehetra nitoeran’ i Davida tao amin’ ny batery fiarovana.
I Sa Mg1865 22:5  Ary hoy Gada mpaminany tamin’ i Davida: Aza mitoetra ao amin’ ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an’ ala Hareta.
I Sa Mg1865 22:6  Ary ren’ i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin’ ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin’ izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
I Sa Mg1865 22:7  dia hoy Saoly tamin’ ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak’ i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen’ ny zanak’ i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
I Sa Mg1865 22:8  no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin’ ny zanak’ i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
I Sa Mg1865 22:9  Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon’ i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak’ i Jese tonga tany Noba aho tany amin’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba.
I Sa Mg1865 22:10  Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin’ i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr’ i Goliata Filistina.
I Sa Mg1865 22:11  Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an’ i Ahimeleka mpisorona, zanak’ i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin’ ny mpanjaka izy rehetra.
I Sa Mg1865 22:12  Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak’ i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko.
I Sa Mg1865 22:13  Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak’ i Jese, tamin’ ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin’ Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
I Sa Mg1865 22:14  Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin’ ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an’ i Davida, izay vinanton’ ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?
I Sa Mg1865 22:15  Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin’ Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin’ izany rehetra izany, na kely na be.
I Sa Mg1865 22:16  Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra.
I Sa Mg1865 22:17  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodìna, ka vonoy ny mpisoron’ i Jehovah; fa ny tànan’ ireo koa momba an’ i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon’ ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron’ i Jehovah.
I Sa Mg1865 22:18  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Doega: Mihodìna ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
I Sa Mg1865 22:19  Dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan’ ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman’ osy.
I Sa Mg1865 22:20  Ary ny anankiray tamin’ ny zanak’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an’ i Davida.
I Sa Mg1865 22:21  Ary Abiatara nanambara tamin’ i Davida ny namonoan’ i Saoly ny mpisoron’ i Jehovah.
I Sa Mg1865 22:22  Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara: Fantatro androtr’ iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin’ i Saoly tokoa; koa izaho no anton’ ny nahafaty ny olona rehetra tamin’ ny tarana-drainao.
I Sa Mg1865 22:23  Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.