Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I THESSALONIANS
1 2 3 4 5
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 5
I Th Mg1865 5:1  Fa ny amin’ ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
I Th Mg1865 5:2  satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo.
I Th Mg1865 5:3  Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
I Th Mg1865 5:4  Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
I Th Mg1865 5:5  Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika.
I Th Mg1865 5:6  Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
I Th Mg1865 5:7  Fa izay matory dia matory amin’ ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ ny alina.
I Th Mg1865 5:8  Fa satria an’ ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
I Th Mg1865 5:9  Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
I Th Mg1865 5:10  Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
I Th Mg1865 5:11  Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
I Th Mg1865 5:12  Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo,
I Th Mg1865 5:13  ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
I Th Mg1865 5:14  Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.
I Th Mg1865 5:15  Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra.
I Th Mg1865 5:18  Misaora amin’ ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo.
I Th Mg1865 5:21  Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
I Th Mg1865 5:23  Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
I Th Mg1865 5:24  Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
I Th Mg1865 5:26  Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin’ ny fanorohana masìna.
I Th Mg1865 5:27  Mampianiana anareo amin’ ny Tompo aho mba hovakina amin’ ny rahalahy rehetra ity epistily ity.
I Th Mg1865 5:28  Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.