Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOSHUA
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 9
Josh Mg1865 9:1  Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin’ i Jordana, na ny tany amin’ ny tany havoana, na ny tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron’ ny Ranomasina Lehibe tandrifin’ i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,
Josh Mg1865 9:2  dia niray hina niangona hiady amin’ i Josoa sy ny Isiraely izy.
Josh Mg1865 9:3  Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’ i Josoa an’ i Jeriko sy Ay,
Josh Mg1865 9:4  dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin’ ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
Josh Mg1865 9:5  ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin’ ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny.
Josh Mg1865 9:6  Dia nankany amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin’ ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.
Josh Mg1865 9:7  Ary hoy ny Isiraelita tamin’ ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
Josh Mg1865 9:8  Fa hoy izy tamin’ i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza?
Josh Mg1865 9:9  Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
Josh Mg1865 9:10  ary izay rehetra nataony tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, izay tany Astarta.
Josh Mg1865 9:11  Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
Josh Mg1865 9:12  Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin’ ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy;
Josh Mg1865 9:13  ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
Josh Mg1865 9:14  Ary nangalan’ ny olona ny vatsin’ ireo, nefa tsy nanontany tamin’ ny vavan’ i Jehovah izy.
Josh Mg1865 9:15  Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
Josh Mg1865 9:16  Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy.
Josh Mg1865 9:17  Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka tonga tany an-tanànan’ ireo tamin’ ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tanànany.
Josh Mg1865 9:18  Fa tsy namely azy ny Zanak’ Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan’ ny lohan’ ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ ireo loholona ny fiangonana rehetra.
Josh Mg1865 9:19  Fa hoy ny loholona rehetra tamin’ ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.
Josh Mg1865 9:20  Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
Josh Mg1865 9:21  Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon’ ny loholona taminy.
Josh Mg1865 9:22  Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
Josh Mg1865 9:23  Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an’ ny tranon’ Andriamanitro ianareo.
Josh Mg1865 9:24  Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’ i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
Josh Mg1865 9:25  koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.
Josh Mg1865 9:26  Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.
Josh Mg1865 9:27  Dia natolotr’ i Josoa tamin’ izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ ny fiangonana sy ho an’ ny alitaran’ i Jehovah mandraka androany eo amin’ ny tany izay hofidiny.