Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MATTHEW
Prev Up Next
Chapter 2
Matt Mg1865 2:1  Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an’ i Jodia, tamin’ ny andron’ i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:
Matt Mg1865 2:2  Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
Matt Mg1865 2:3  Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’ i Jerosalema rehetra.
Matt Mg1865 2:4  Dia namory ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan’ i Kristy?
Matt Mg1865 2:5  Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’ i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
Matt Mg1865 2:6  Ary ianao, ry Betlehema, tanin’ ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ ny andrianan’ ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan’ izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko.
Matt Mg1865 2:7  Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ ilay kintana.
Matt Mg1865 2:8  Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
Matt Mg1865 2:9  Ary rehefa nandre ny tenin’ ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’ izay nitoeran’ ny Zazakely.
Matt Mg1865 2:10  Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
Matt Mg1865 2:11  Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.
Matt Mg1865 2:12  Ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy tsy hiverina any amin’ i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ ny fonenany.
Matt Mg1865 2:13  Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tamin’ ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
Matt Mg1865 2:14  Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;
Matt Mg1865 2:15  ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’ i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’ i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
Matt Mg1865 2:16  Ary nony efa fantatr’ i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin’ ny roa taona no ho midìna, izay tao Betlehema sy tamin’ ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin’ ny Magy.
Matt Mg1865 2:17  Dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe:
Matt Mg1865 2:18  Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny.
Matt Mg1865 2:19  Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tany Egypta tamin’ ny nofy ka nanao hoe:
Matt Mg1865 2:20  Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain’ ny Zazakely.
Matt Mg1865 2:21  Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.
Matt Mg1865 2:22  Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’ i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy, dia lasa nankany amin’ ny tany Galilia.
Matt Mg1865 2:23  Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.