PROVERBS
Chapter 18
Prov | Mg1865 | 18:1 | Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy. | |
Prov | Mg1865 | 18:3 | Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ ny fahafaham-baraka ny henatra. | |
Prov | Mg1865 | 18:4 | Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena, | |
Prov | Mg1865 | 18:7 | Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny. | |
Prov | Mg1865 | 18:8 | Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. | |
Prov | Mg1865 | 18:10 | Ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy. | |
Prov | Mg1865 | 18:11 | Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany. | |
Prov | Mg1865 | 18:12 | Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. | |
Prov | Mg1865 | 18:14 | Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany? | |
Prov | Mg1865 | 18:16 | Ny fanomezan’ ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ ny lehibe. | |
Prov | Mg1865 | 18:17 | Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny. | |
Prov | Mg1865 | 18:19 | Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ ny lapan’ ny mpanjaka. | |
Prov | Mg1865 | 18:20 | Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy. | |
Prov | Mg1865 | 18:21 | Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. | |
Prov | Mg1865 | 18:22 | Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah. | |