Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
MARK
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 11
Mark Mg1865 11:1  Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany Jesosy
Mark Mg1865 11:2  ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin’ izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento etỳ.
Mark Mg1865 11:3  Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin’ izay izy.
Mark Mg1865 11:4  Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan’ ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.
Mark Mg1865 11:5  Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?
Mark Mg1865 11:6  Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain’ i Jesosy taminy, dia navelan’ ny olona handeha izy.
Mark Mg1865 11:7  Ary nentiny teo amin’ i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.
Mark Mg1865 11:8  Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.
Mark Mg1865 11:9  Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah!
Mark Mg1865 11:10  Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’ i Davida raintsika! Hosana any amin’ ny avo indrindra.
Mark Mg1865 11:11  Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan’ ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin’ izay, dia niala Izy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy ka nankany Betania.
Mark Mg1865 11:12  Ary nony ampitson’ iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.
Mark Mg1865 11:13  Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ ny aviavy.
Mark Mg1865 11:14  Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.
Mark Mg1865 11:15  Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
Mark Mg1865 11:16  ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ ny tempoly.
Mark Mg1865 11:17  Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra?; fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
Mark Mg1865 11:18  Ary nahare izany ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
Mark Mg1865 11:20  Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ ny fakany ilay aviavy.
Mark Mg1865 11:21  Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.
Mark Mg1865 11:22  Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’ Andriamanitra.
Mark Mg1865 11:23  Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
Mark Mg1865 11:24  Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
Mark Mg1865 11:25  Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
Mark Mg1865 11:27  Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
Mark Mg1865 11:28  ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?
Mark Mg1865 11:29  Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:
Mark Mg1865 11:30  Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Valio Aho.
Mark Mg1865 11:31  Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
Mark Mg1865 11:32  Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken’ ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.
Mark Mg1865 11:33  Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.