NUMBERS
Chapter 27
Numb | Mg1865 | 27:1 | Ary avy ny zanakavavin’ i Zelofada, zanakalahin’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza), | |
Numb | Mg1865 | 27:2 | dia nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe: | |
Numb | Mg1865 | 27:3 | Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy. | |
Numb | Mg1865 | 27:4 | Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin’ ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin’ ny rainay izahay. | |
Numb | Mg1865 | 27:7 | Marina ny tenin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy. | |
Numb | Mg1865 | 27:8 | Ary lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny. | |
Numb | Mg1865 | 27:10 | Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny. | |
Numb | Mg1865 | 27:11 | Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’ Isiraely izany araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy. | |
Numb | Mg1865 | 27:12 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely. | |
Numb | Mg1865 | 27:13 | Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin’ ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’ i Arona rahalahinao; | |
Numb | Mg1865 | 27:14 | fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin’ ilay nilan’ ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ ny rano teo imasony. (Izany no ranon’ i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.) | |
Numb | Mg1865 | 27:16 | Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana | |
Numb | Mg1865 | 27:17 | ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’ i Jehovah. | |
Numb | Mg1865 | 27:18 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak’ i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy; | |
Numb | Mg1865 | 27:19 | ary asaovy mijoro eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao. | |
Numb | Mg1865 | 27:20 | Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra azy. | |
Numb | Mg1865 | 27:21 | Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra. | |
Numb | Mg1865 | 27:22 | Ary nataon’ i Mosesy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy; dia naka an’ i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra | |