DEUTERONOMY
Chapter 6
Deut | Mg1865 | 6:1 | Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ ny tany izay alehanareo holovana, | |
Deut | Mg1865 | 6:2 | mba hatahoranao an’ i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao. | |
Deut | Mg1865 | 6:3 | Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely. | |
Deut | Mg1865 | 6:5 | Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. | |
Deut | Mg1865 | 6:7 | Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha; | |
Deut | Mg1865 | 6:8 | ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao, | |
Deut | Mg1865 | 6:10 | Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao, | |
Deut | Mg1865 | 6:11 | sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin’ ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky, | |
Deut | Mg1865 | 6:12 | dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana. | |
Deut | Mg1865 | 6:13 | Matahora an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. | |
Deut | Mg1865 | 6:14 | Aza manaraka izay andriamani-kafa amin’ ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, | |
Deut | Mg1865 | 6:15 | fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’ i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ ny tany ianao. | |
Deut | Mg1865 | 6:16 | Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa. | |
Deut | Mg1865 | 6:17 | Tandremo tsara ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao. | |
Deut | Mg1865 | 6:18 | Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanao homena azy, | |
Deut | Mg1865 | 6:19 | ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain’ i Jehovah. | |
Deut | Mg1865 | 6:20 | Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka manao hoe: Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian’ i Jehovah Andriamanitsika anareo? | |
Deut | Mg1865 | 6:21 | Dia holazainao aminy hoe: Andevon’ i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. | |
Deut | Mg1865 | 6:22 | Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika. | |
Deut | Mg1865 | 6:23 | Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin’ ny razantsika homena azy. | |
Deut | Mg1865 | 6:24 | Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin’ izao anio izao. | |