EXODUS
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Chapter 24
Exod | Mg1865 | 24:1 | Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo; | |
Exod | Mg1865 | 24:2 | nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’ i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. | |
Exod | Mg1865 | 24:3 | Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ ny olona ny teny rehetra izay nataon’ i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’ i Jehovah dia hataonay. | |
Exod | Mg1865 | 24:4 | Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’ i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ ny folo, araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo. | |
Exod | Mg1865 | 24:5 | Ary ny zatovo amin’ ny Zanak’ Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah. | |
Exod | Mg1865 | 24:6 | Ary nalain’ i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin’ ny alitara. | |
Exod | Mg1865 | 24:7 | Dia naka ny bokin’ ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay sy hekenay. | |
Exod | Mg1865 | 24:8 | Ary nalain’ i Mosesy ny rà ka natopiny tamin’ ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ ny fanekena izay nataon’ i Jehovah taminareo ny amin’ izany teny rehetra izany. | |
Exod | Mg1865 | 24:9 | Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin’ ny loholon’ ny Isiraely. | |
Exod | Mg1865 | 24:10 | Dia nahita an’ Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ ny tongony dia toy ny fanganohanon’ ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ ny lanitra ny famirapirany. | |
Exod | Mg1865 | 24:11 | Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ ireo lehiben’ ny Zanak’ Isiraely Izy; dia nahita an’ Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro. | |
Exod | Mg1865 | 24:12 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy. | |
Exod | Mg1865 | 24:13 | Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’ Andriamanitra. | |
Exod | Mg1865 | 24:14 | Ary hoy izy tamin’ ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’ izy roa lahy izy. | |
Exod | Mg1865 | 24:15 | Dia niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra. | |
Exod | Mg1865 | 24:16 | Ary ny voninahitr’ i Jehovah nitoetra teo ambonin’ ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’ i Mosesy tamin’ ny andro fahafito teo afovoan’ ny rahona Izy. | |
Exod | Mg1865 | 24:17 | Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely. | |