Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
GENESIS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 14
Gene Mg1865 14:1  Ary tamin’ ny andron’ i Amrafela, mpanjakan’ i Sinara, sy Arioka, mpanjakan’ i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan’ i Elama, ary Tidala, mpanjakan’ ny Goïma,
Gene Mg1865 14:2  dia nandeha izy ireo ka nanafika an’ i Bera, mpanjakan’ i Sodoma, sy Birsa, mpanjakan’ i Gomora, sy Sinaba, mpanjakan’ i Adma, sy Semebera, mpanjakan’ i Zeboïma, ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany).
Gene Mg1865 14:3  Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’ i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
Gene Mg1865 14:4  Fa efa nanompo an’ i Kedorlaomera roa ambin’ ny folo taona ireo, fa tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo kosa dia niodina izy.
Gene Mg1865 14:5  Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaïta tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
Gene Mg1865 14:6  ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seïra hatrany El-parana, izay eo anilan’ ny efitra.
Gene Mg1865 14:7  Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
Gene Mg1865 14:8  Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora sy ny mpanjakan’ i Adma sy ny mpanjakan’ i Zeboïma ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ ireo teo an-dohasahan’ i Sidima,
Gene Mg1865 14:9  dia tamin’ Kedorlaomera, mpanjakan’ i Elama, sy Tidala, mpanjakan’ ny Goïma sy Amrafela, mpanjakan’ i Sinara ary Arioka, mpanjakan’ i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin’ ny mpanjaka dimy.
Gene Mg1865 14:10  Ary ny lohasahan’ i Sidima, dia be lavak’ asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
Gene Mg1865 14:11  Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra, dia lasa nandeha.
Gene Mg1865 14:12  Ary namabo ny zana-drahalahin’ i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
Gene Mg1865 14:13  Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’ i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’ i Mamre Amorita, rahalahin’ i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’ i Abrama.
Gene Mg1865 14:14  Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin’ ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady, ka nanenjika hatrany Dana.
Gene Mg1865 14:15  Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr’ i Damaskosy.
Gene Mg1865 14:16  Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ ny vehivavy sy ny vahoaka.
Gene Mg1865 14:17  Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma hitsena an’ i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan’ ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an’ i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
Gene Mg1865 14:18  Ary Melkizedeka, mpanjakan’ i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra.
Gene Mg1865 14:19  Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’ Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
Gene Mg1865 14:20  Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen’ i Abrama azy ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra.
Gene Mg1865 14:21  Ary hoy ny mpanjakan’ i Sodoma tamin’ i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
Gene Mg1865 14:22  Fa hoy Abrama tamin’ ny mpanjakan’ i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin’ i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Gene Mg1865 14:23  fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’ izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’ i Abrama,
Gene Mg1865 14:24  afa-tsy izay efa nohanin’ ny zatovo sy ny anjaran’ ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin’ ireo ny anjarany.