Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
JOHN
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
John Mg1865 2:1  Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’ i Jesosy.
John Mg1865 2:2  Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ ny fampakaram-bady.
John Mg1865 2:3  Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’ i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
John Mg1865 2:4  Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
John Mg1865 2:5  Fa hoy ny reniny tamin’ ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
John Mg1865 2:6  Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ ny Jiosy.
John Mg1865 2:7  Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ ny molony.
John Mg1865 2:8  Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’ izao, ka ento ho eo amin’ ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
John Mg1865 2:9  Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
John Mg1865 2:10  ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon’ ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
John Mg1865 2:11  Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
John Mg1865 2:12  Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
John Mg1865 2:13  Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
John Mg1865 2:14  Ary hitany teo an-kianjan’ ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
John Mg1865 2:15  dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
John Mg1865 2:16  dia hoy Izy tamin’ ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ ny Raiko.
John Mg1865 2:17  Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin’ ny tranonao no haharitra aina ahy.
John Mg1865 2:18  Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
John Mg1865 2:19  Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy.
John Mg1865 2:20  Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ ny hateloana?
John Mg1865 2:22  Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy, dia tsaroan’ ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masìna sy ny teny izay nolazain’ i Jesosy izy.
John Mg1865 2:23  Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ ny Paska, dia tamin’ ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
John Mg1865 2:24  Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;
John Mg1865 2:25  ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona.