LUKE
Chapter 13
Luke | Mg1865 | 13:1 | Ary tamin’ izany andro izany nisy ny sasany teo izay nanambara tamin’ i Jesosy ny nanjo ny Galiliana, izay naharoharon’ i Pilato tamin’ ny fanatiny ny ràny. | |
Luke | Mg1865 | 13:2 | Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noho ny Galiliana rehetra, satria nozoin’ izany zavatra izany izy? | |
Luke | Mg1865 | 13:3 | Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. | |
Luke | Mg1865 | 13:4 | Ary ireny valo ambin’ ny folo ireny, izay nianjeran’ ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny? | |
Luke | Mg1865 | 13:5 | Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra. | |
Luke | Mg1865 | 13:6 | Ary nanao ity fanoharana ity Izy hoe: Nisy olona nanana aviavy nambolena teo an-tanim-boalobony; dia nankeo izy nitady voa taminy, fa tsy nahita. | |
Luke | Mg1865 | 13:7 | Ka dia hoy izy tamin’ ny mpamboatra ny tanim-boaloboka; Indro, efa telo taona izay aho no tonga nitady voa tamin’ ity aviavy ity, fa tsy nahita; kapao io; nahoana io no manimba ny tany? | |
Luke | Mg1865 | 13:8 | Fa ny mpamboatra namaly ka nanao taminy hoe: Tompoko, avelao ihany izy amin’ ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy, ka hasiako zezika; | |
Luke | Mg1865 | 13:11 | Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. | |
Luke | Mg1865 | 13:12 | Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin’ ny rofinao ianao. | |
Luke | Mg1865 | 13:13 | Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin’ izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’ Andriamanitra. | |
Luke | Mg1865 | 13:14 | Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin’ ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin’ ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin’ izany, fa tsy amin’ ny andro Sabata. | |
Luke | Mg1865 | 13:15 | Fa namaly azy ny Tompo ka nanao hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ ny fihinanam-bilona amin’ ny Sabata va ianareo ka mitondra azy hisotro rano? | |
Luke | Mg1865 | 13:16 | Koa ity vehivavy zanak’ i Abrahama ity, izay efa nafatotr’ i Satana izao valo ambin’ ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’ izany fatorana izany amin’ ny andro Sabata va? | |
Luke | Mg1865 | 13:17 | Ary raha nilaza izany Izy, dia nangaihay izay rehetra nanohitra Azy; fa ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony. | |
Luke | Mg1865 | 13:18 | Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan’ Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy? | |
Luke | Mg1865 | 13:19 | Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’ olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin’ ny rantsany. | |
Luke | Mg1865 | 13:21 | Tahaka ny masirasira izy, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra. | |
Luke | Mg1865 | 13:22 | Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra nampianatra sady nandroso hankany Jerosalema. | |
Luke | Mg1865 | 13:23 | Dia hoy ny anankiray taminy; Tompoko, moa vitsy va no hovonjena? Ary hoy Izy tamin’ ny olona: | |
Luke | Mg1865 | 13:24 | Miseseha hiditra amin’ ny varavarana etỳ ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. | |
Luke | Mg1865 | 13:25 | Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; | |
Luke | Mg1865 | 13:26 | ary amin’ izay ianareo dia hanao hoe: Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny an-dalambenay Hianao. | |
Luke | Mg1865 | 13:27 | Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka. | |
Luke | Mg1865 | 13:28 | Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an’ i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany. | |
Luke | Mg1865 | 13:29 | Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. | |
Luke | Mg1865 | 13:31 | Tamin’ izany ora izany indrindra dia nisy Fariseo sasany nankeo amin’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mandehana Hianao, ka mialà eto; fa ta-hamono Anao Heroda. | |
Luke | Mg1865 | 13:32 | Fa hoy Izy taminy: Mandehana, lazao amin’ izany amboahaolo izany hoe: Indro, mamoaka demonia sy mahasitrana Aho anio sy ampitso, ary raha afaka ampitso dia hotanterahina ny amiko. | |
Luke | Mg1865 | 13:33 | Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema. | |
Luke | Mg1865 | 13:34 | Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo! | |