LUKE
Chapter 7
Luke | Mg1865 | 7:1 | Ary rehefa vitan’ i Jesosy teo anatrehan’ ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy. | |
Luke | Mg1865 | 7:3 | Koa raha nahare ny amin’ i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony. | |
Luke | Mg1865 | 7:4 | Ary rehefa tonga teo amin’ i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy, | |
Luke | Mg1865 | 7:6 | Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin’ ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin’ ny tafon-tranoko aho. | |
Luke | Mg1865 | 7:7 | Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. | |
Luke | Mg1865 | 7:8 | Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin’ ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin’ ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin’ ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy. | |
Luke | Mg1865 | 7:9 | Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin’ ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ ny Isiraely aza. | |
Luke | Mg1865 | 7:10 | Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo. | |
Luke | Mg1865 | 7:11 | Ary taoriana kelin’ izany Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny mpianany sy ny vahoaka betsaka. | |
Luke | Mg1865 | 7:12 | Ary rehefa mby teo akaikin’ ny vavahadin’ ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin’ ny lehilahy anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan’ ny reniny, sady mpitondratena ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy. | |
Luke | Mg1865 | 7:13 | Ary nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza mitomany. | |
Luke | Mg1865 | 7:14 | Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy: zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena. | |
Luke | Mg1865 | 7:16 | Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra hoe: Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony. | |
Luke | Mg1865 | 7:17 | Dia niely teny Jodia rehetra sy teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazan’ i Jesosy ny amin’ izany zavatra izany. | |
Luke | Mg1865 | 7:19 | Ary Jaona niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin’ ny Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? | |
Luke | Mg1865 | 7:20 | Ary nony tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? | |
Luke | Mg1865 | 7:21 | Ary tamin’ izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin’ ny rofy sy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro. | |
Luke | Mg1865 | 7:22 | Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin’ i Jaona izao hitanareo sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. | |
Luke | Mg1865 | 7:24 | Ary rehefa lasa ny irak’ i Jaona, dia nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va? | |
Luke | Mg1865 | 7:25 | Sa hizaha inona no nalehanareo? Olona mitafy lamba soa va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana zava-py dia ao an-tranon’ ny mpanjaka. | |
Luke | Mg1865 | 7:26 | Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. | |
Luke | Mg1865 | 7:27 | Fa izy ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao. | |
Luke | Mg1865 | 7:28 | Lazaiko aminareo: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra dia lehibe noho izy. | |
Luke | Mg1865 | 7:29 | Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an’ Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ ny batisan’ i Jaona izy. | |
Luke | Mg1865 | 7:30 | Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan’ Andriamanitra, satria tsy mba nanatona hataon’ i Jaona batisa izy. | |
Luke | Mg1865 | 7:31 | Tahaka ny inona ary no hanoharako ny olona amin’ ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy? | |
Luke | Mg1865 | 7:32 | Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy nitomany ianareo. | |
Luke | Mg1865 | 7:33 | Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana demonia izy. | |
Luke | Mg1865 | 7:34 | Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota. | |
Luke | Mg1865 | 7:36 | Ary ny Fariseo anankiray nanasa an’ i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao an-tranon’ ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana. | |
Luke | Mg1865 | 7:37 | Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; | |
Luke | Mg1865 | 7:38 | ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra, | |
Luke | Mg1865 | 7:39 | Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io. | |
Luke | Mg1865 | 7:40 | Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao ary, Mpampianatra ô. | |
Luke | Mg1865 | 7:41 | Nisy roa lahy nananan’ ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo. | |
Luke | Mg1865 | 7:42 | Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin’ ireo no ho tia azy indrindra? | |
Luke | Mg1865 | 7:43 | Simona namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny hevitrao. | |
Luke | Mg1865 | 7:44 | Ary Jesosy nitodika nijery an-dravehivavy ka nanao tamin’ i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ ny ranomasony, dia namaoka azy tamin’ ny volon-dohany. | |
Luke | Mg1865 | 7:45 | Tsy mba nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr’ izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra nanoroka fatratra ny tongotro. | |
Luke | Mg1865 | 7:46 | Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro. | |
Luke | Mg1865 | 7:47 | Ary amin’ izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ ny kely dia kely fitiavana. | |
Luke | Mg1865 | 7:49 | Ary izay niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela heloka? | |