LUKE
Chapter 15
Luke | Mg1865 | 15:2 | Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. | |
Luke | Mg1865 | 15:4 | Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? | |
Luke | Mg1865 | 15:6 | ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. | |
Luke | Mg1865 | 15:7 | Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany. | |
Luke | Mg1865 | 15:8 | Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy? | |
Luke | Mg1865 | 15:9 | Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very. | |
Luke | Mg1865 | 15:10 | Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka. | |
Luke | Mg1865 | 15:12 | Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’ izy mirahalahy ny fananany. | |
Luke | Mg1865 | 15:13 | Ary nony afaka kelikely, dia nangonin’ ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ ny fiveloman-dratsy tany. | |
Luke | Mg1865 | 15:14 | Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’ izany tany izany, ka nahantra izy. | |
Luke | Mg1865 | 15:15 | Dia nandeha izy ka niankina tamin’ ny tompon-tany anankiray tamin’ izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa. | |
Luke | Mg1865 | 15:16 | Ary satriny hameno ny kibony tamin’ ny voan-kazo fihinan’ ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy. | |
Luke | Mg1865 | 15:17 | Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain’ ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto! | |
Luke | Mg1865 | 15:18 | Hiainga aho, dia hody any amin’ ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho | |
Luke | Mg1865 | 15:19 | ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ ny olona karamainao aho. | |
Luke | Mg1865 | 15:20 | Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. | |
Luke | Mg1865 | 15:21 | Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony. | |
Luke | Mg1865 | 15:22 | Fa rainy kosa nanao tamin’ ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony; | |
Luke | Mg1865 | 15:24 | fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy. | |
Luke | Mg1865 | 15:25 | Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. | |
Luke | Mg1865 | 15:26 | Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’ izany zavatra izany. | |
Luke | Mg1865 | 15:27 | Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’ omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. | |
Luke | Mg1865 | 15:29 | Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’ osy aza mba hifaliako amin’ ny sakaizako; | |
Luke | Mg1865 | 15:30 | fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’ omby nafahy ianao. | |
Luke | Mg1865 | 15:31 | Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. | |